- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversRN2 : Taxi-brousse voaroba, olomboafidy iray lasibatra

RN2 : Taxi-brousse voaroba, olomboafidy iray lasibatra

Taxi-brousse avy amin’ny kaoperativa iray, mampitohy ny renivohitra amin’ny faritra Atsinanana iny no niharan’ny fandrobana teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambodipolimosy, kaominina Vohitranivona, ditsikan’i Brickaville, omaly maraina tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka tany ho any. Lasa tamin’izany ny entan’ny olomboafidy iray, izay nandeha tamin’io fiara io.

Efa iaraha-mahalala tokoa ny haratsian’ny ampahan-dalana maromaro amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, izay miteraka tsy fandriam-pahalemana. Tamin’izany ampahan-dalana ratsy izany indrindra mantsy no niseho ny tranga fandrobana fiara mpitatitra iray, ka nahalasa ny entan’ny olomboafidy, izay mpandeha tao anatin’izany fiara izany. Araka ny fampitam-baovao azo dia handeha hiantsinana hihazo an’i Toamasina avy aty an-drenivohitra ity fiara ity no norobain’ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nampandrenesina ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny. Zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Hoavimamiratra no nidina ifotony sy nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Noho ny hafainganan’ny fampilazàna moa dia tsy ela akory taty aoriana dia efa nahitam-bokany. Taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana mantsy dia hita ireo entana rehetra voaroba fa indrindra ny entan’ilay olomboafidy. Olona roa kosa no voasambotra tao anatin’izany, voarohirohy tamin’ity fandrobana fiara ity, izay efa samy nentina avy hatrany tany amin’ny birao nanaovana famotorana  ary natao andrimaso ihany koa, mandra-piandry ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici