- Publicité -
dimanche 7 août 2022
DomicileFaits-DiversAdim-poko : Niainga tamin’ny fifaninana Moraingy

Adim-poko : Niainga tamin’ny fifaninana Moraingy

Rehefa tena nozohiana ny fandehan’ny raharaha dia niainga tamin’ny moraingy izay notanterahina tao an-toerana (Port-Bérgé) ny disadisa. Voatery niditra an-tsehatra ny polisy kominaly tamin’io fotoana io. Ireo indray anefa no voadaroka. Raikitra ny fifanenjehana hatrany anaty ala. Tao anatin’izay no nisy olona handeha hamonjy fodiana ary tsy nahafantatra ny zava-misy akory kanefa voadaroka sy voafira zava-maranitra. Niafara hatramin’ny fahafatesany izany. Nanomboka teo no nipoaka ny hatezeran’ny tompon-tany dia ny foko Tsimihety izany. Maro rahateo raha araka ny filazan’izy ireo ny fandeferana izay efa nataony kanefa efa mihoatra ny loha ny zava-misy ankehitriny, hoy hatrany ny Sojaben’ity foko ity. Misintona ny lakolosy fanairana amin’ny manam-pahefana ireo olona ny amin’ny hitadiavam-bahaolana maika mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Raha araka ny vaovao avy any an-toerana dia hisy ny fihaonan’ny Sojabe Tsimihety amin’ny tomponandraikim-panjakana ao an-toerana anio. Ankoatr’izany dia efa nitondra fitarainana ireo olona ireo ny zoma lasa teo mba ho fampahafantarana ny zava-misy ka mahatezitra ny tompon-tany amin’ny Antandroy izay mpiavy. Teo koa no nametrahan’izy ireo fetr’andro roa herinandro mba hitadiavam-bahaolana maharitra mialoha ny mety hisian’ny herisetra. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia efa vonona ny tanora maro saingy tazonim-potsiny aloha. Nambaran’ireo Sojabe fa efa tafahoatra ary tsy voalefitra intsony ny ataon’ireo vahiny avy amin’ny foko iray any atsimo ‚ mitady ravinahitra eto Port Bergé fa indrindra ao amin’ny kaominina Tsiningia sy ny manodidina azy. Ankoatra ireo olana sy disadisa izay namoizana ain’olona roa sy nahatrana olona tao amin’ny tanànan’i Tsiningia dia nilaza ireo Sojabe fa tsy vao sambany no nisy ny fisetrasetrana, fandrahonana, fampihorohoroana ary fanafihana. Isan’izany ny tranga izay nisy roa taona lasa izay dia ny nidiran’ireo fokonolona voalaza ho mpanakorontana tao amin’ny tanànan’ Ambodimabibo izay nodoran’izy ireo ka rava tanteraka ary tsy misy mipetraka intsony ankehitriny. Mbola isan’ny fitarainana ny firongoan’ireo olona fitaovam-piadiana rehefa mankeny an-tsena sy an-dalambe ka mampihorohoro olona. Hatreto aloha dia mbola voatazona ny filaminana ao an-toerana ary isan’ny andrasan’ny maro ny fanapahan-kevitra izay mety horaisin’ny Governoram-paritra izay fanta-daza amin’ny famerenana ny fandriampahalemana.

D.R

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici