- Publicité -
lundi 8 août 2022
DomicileFaits-DiversToamasina : Jiolahy  telo maty voatifitra, 7 voasambotra

Toamasina : Jiolahy  telo maty voatifitra, 7 voasambotra

Ny zoma teo, tokony tamin’ny 7 ora hariva no nisy andian-jiolahy miisa 10 nikasa hanafika Magazay lehibe iray tao Ampasimazava Toamasina. Tsy tanteraka anefa izany satria tonga ara-potoana ny avy ao anivon’ny FIP izay notarihin’ny kaomisera Jules Rafaliarivo. Vokatry izany, jiolahy miisa telo voatifitra ary fito azo sambo-belona rehefa nisy ny fifandonana teo amin’ireo jiolahy sy ny avy ao anivon’ny polisy. Misokatra ny fanadihadiana momba ireto jiolahy ireto. Ankaoatra io, ny faran’ny herinandro teo ihany tokony tamin’ny 10 ora maraina teo, teo anelanelan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina ambonivohitra sy ny biraon’ny Cnaps nasiam-panamboarana, dia nirefotra ny basy teo amin’ireo andian-jiolahy nanafika vola tamin’ity raim-pianakaviana nitondra moto.

Very tamin’izany ny vola roa tapitrisa ariary sy naratra ity raim-pianakaviana notafihana ity. Raha iverenana ny raharaha dia nisy raim-pianakaviana iray nitondra moto nihazo ilay lalana voalaza etsy ambony, nisy nanakana ity raim-pianakaviana iray ity ka nianjera teo ambony moto ny tenany. Niezaka nanohitra ho fiarovana ny fananany ity raim-pianakaviana ity, saingy raha vao nanapoaka basy ireo jiolahy izay roa ny isany dia niaiky mora ilay raim-pianakaviana ka nanome ny fanalahidin’ilay moto, ka nalain’ireo jiolahy mora foana ilay sakosy ilay vola roa tapitrisa ariary tao anatin’ilay moto. Fotoana maha-be olona miatrika ny mariazy eo amin’ny kaominina ny fotoana, ka raha saika hanaraka ireto mpanotrika izany mariazy izany dia nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ka tsy sahy izy ireo nanara-dia.

Moto efa voahomana no nitsoahan’ireto jiolahy roa ary tavela teo ilay raim-pianakaviana very vola, taty aoriana vao tonga ny mpitandro ny filaminana, ary efa dify tsy hita ireo andian-jiolahy roa. Raha ny filazan’ilay niharam-boina dia hanatitra volan’olona tany amin’ny banky ny tenany, ka ho fiarovana ilay vola no nanaovana azy tao anaty moto mba tsy hisy ahatsikaritra, saingy mbola izao fanafihana izao no nahazo. Tsy nanao saro-tava ireo jiolahy hoy ilay tratran’ny fandrobana ka mety ho tsaroako ihany ny endriny raha hitako izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici