- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversFanolanana : Tranga dimy tamin’iny faran’ny herinandro iny

Fanolanana : Tranga dimy tamin’iny faran’ny herinandro iny

Ireo efa-dahy voalaza fa nanolana tovovavy tany Bealanana.

Raikitra indray ! Raha somary nangingina ity resaka fanolanana zaza tsy ampy taona ity tao ho ato, noho ireo fandraisana andraikitra maro samihafa, dia niverina nirongotra indray izany, indrindra fa tany amin’ny faritra. Ny loza dia tamin’iny faran’ny herinandro teo iny dia efa tsy latsaky ny dimy izany tranga izany, ary ny mampalaelo dia nisy tamin’ireo ankizy lasibatra no namoy ny ainy vokatr’izay herisetra ara-nofo nianjady taminy izay.

Ankoatr’ilay ankizikely namoy ny ainy tany Ambositra tokoa mantsy dia fantatra ihany koa fa nisy ankizivavy iray, 9 taona no nampiharan’ny lahiantitra iray 50 taona ny filan-dratsiny, tao amin’ny fokontany Tsianaloka, kaominina Bemahatazana, ny faran’ny herinandro teo, Potika tanteraka ity zazavavy kely ity, araka ny fampitam-baovao azo. Voalaza mihitsy aza fa nisy taova potika tany anatiny ka voatery nalefa notsaboina any Antsirabe. Ilay rangahy nahavanon-doza kosa efa notazomina any amin’ny biraon’ny zandary.

Fa ankoatr’izay, vehivavy iray hafa no voalaza fa niharan’ny fanolanana faobe ihany koa tao Ambalaromba, distrika Bealanana. Niisa efatra ireo lehilahy nampihatra ny filan-dratsiny tamin’ity tovovavy ity, raha ny angom-baovao. Tsy afaka niantso vonjy izy tamin’izany fa notapenan’ireo tsy valahara ny vavany. Efa nosamborina avokoa moa ireto farany ary hanaovana famotorana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Marotaolana, ary hatolotra ny Fampanoavana ny alakamisy izao.

Mbola ny sabotsy lasa teo ihany, tao amin’ny fokontany Mahiagidro, kaominina Mahabe, distrika Besalampy, ankizivavy iray, 14 taona no naolana lehilahy iray 34 taona. Taorian’ny fitorian’ireo fianakaviana moa dia nosamborina avy hatrany ity lehilahy nahavanon-doza ity ary nentina nanaovana famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary.

Tranga fanodikodinana zaza tsy ampy taona indray no nitranga tao amin’ny fokontany Ambinagnibefia, kaominina Bejofo, distrika Analalava. Samy mbola mpianatra izy ireo, raha ny fantatra, kilasy fahatelo ilay tovolahy ary kilasy voalohany ilay zazavavy 17 taona. Nentin’iry voalohany nitsoaka moa ity farany ary tongany hatrany Ambilobe. Nametraka fitairanana ny fianakavian’ilay tovovavy ary efa hita sy nosamborina ilay lehilahy, ary miatrika ny famotorana azy any amin’ny biraon’ny zandary.

Araka ny fanazavana azo tokoa moa, manoloana ireo trangana fanolanana sy herisetra ara-nofo miseho lany etsy sy eroa indray, dia tsara ny mampahafantatra hoy ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa tsy voatery miandry fitoriana amin’ireo lasibatra izy ireo vao mandray andraikitra. Ny fampandrenesena azy ireo fotsiny ihany dia ampy hampandehanana ny paik’ady heloka, hisamborana sy hanaovana famotorana ireo nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici