- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBehoririka : Trano maromaro kila forehitra

Behoririka : Trano maromaro kila forehitra

Nitrangana hain-trano mahatsiravina tetsy Behoririka, tsy lavitry ny totohatra Tsiafakantitra, omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Araka ny hita teny an-toerana dia trano maromaro izy ireo, izay nolevon’ny afo tao anatin’ny fotoana vitsy monja. May tanteraka tsy nisy noraisina ihany koa ireo trano ireo, ary tamin’ny ora nanoratanay dia efa tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Miezaka mamono sy mifehy izany afo mijoalajoala izany. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe vokatry ny “court-circuit” nateraky ny jiro tapaka ary niverina nirehitra tampoka ny anton’ny loza. Marihana fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, raha ny angom-baovao azo hatrany.

Fa ny alin’ny alakamisy teo ihany koa dia nisehoana haintrano goavana ihany koa tetsy Ambohimandroso, Ambohimanarina. Trano misy rihana iray indray no kila hotohoton’ny afo tanteraka tao anatin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra, saingy kosa voalaza fa tsy nisy noraisina intsony, nolevonin’ny afo tao anatin’ny indray mipi-maso monja ireo entana rehetra tao an-trano, eny fa na hatramin’ny akoho mikotrika aza, raha ny angom-baovao azo. Fianakaviana maromaro no mipetraka tao tamin’ity trano ity ary samy tsy nisy afaka nanavotra ny entany. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tsy nisy olona mihitsy tao amin’ilay trano ary nihidy tanteraka izany. Voalaza anefa fa nisy afo tao amin’io trano io ary io no nanomboka nihitatra sy nahamay tanteraka ilay trano. Fiaraben’ny mpamonjy voina anankiroa moa no tonga teny an-toerana nifehy sy namono ny afo. Eo anatrehan’ny zava-misy, miantso fanampiana amin’ireo tompon’andraikitra isanisany ireto fianakaviana tra-boina ireto. Tsy manan-kialofana intsony. Very fananana, ankoatry ny eny an-koditr’izy ireo, kanefa hiaraha-mahalala fa ao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika. Very fanahy mbola velona …

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici