- Publicité -
MG
mercredi 17 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTsiroanomandidy : Telo lahy maty tao anaty lava-drano

Tsiroanomandidy : Telo lahy maty tao anaty lava-drano

Zava-doza no niseho tao amin’ny kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Aina telo be izao no indray nafoy tao anatin’ny fotoana fohy monja, vokatry ny fahasemporana tao anaty lava-drano.

Efa mpanao lava-drano fantatra any an-toerana izy ireo raha ny fampitam-baovao azo. Tamin’io fotoana io dia nahazo antoka lava-dranon’olona tao Miandrarivo Atsimo izy ireo. Lava-drano efa nisy, izay lalina any amin’ny 22 metatra any ho any, saingy diovina fa be kadradraka ary mety somary halalinina ihany koa. Ny omalin’io loza nahatsiravina io, dia noembohana mololo nodorana aloha izany lava-drano izany, mba hampandosirana ireo bibikely. Fomba fanaon’ireo mpanao lava-drano ihany ary fantatr’izy ireo fa mila fotoana maharitra ihany koa vao azo hidininana ao anatin’izany lava-drano izany. Ny zoma lasa teo anefa, nisy mpiasa iray tsy nahafantatra velively io fandoroana mololo tao anaty lavaka io ka nidina avy hatrany tao, tsy nisy nahafantatra. Efa elaela vao tonga ny namany ary naheno azy niantso vonjeo fa sempotra. Niezaka namonjy tamin’ny alalan’ny tady ity farany saingy efa tsy nanana aina hitazomana izany intsony ilay tao ambany. Nahita izany ny naman’izy ireo anankiray ka  niolomay nidina ny lavaka saingy nianjera tao anaty lavaka ihany koa. Efa vory marobe ny olona, nitady izay hevitra rehetra hanavotana ireto olona roa latsaka an-davan-drano ireto. Nisy olona iray, izay voalaza fa efa mpiady lava-drano nanandrana ny nanavotra azy ireo, saingy indrisy fa latsaka ihany koa ary tsy tafavoaka. Hany herin’ireo fokonolona dia niezaka nanitatra ilay lavaka. Nanampy azy ireo tamin’izany ireo mpitandro filaminana, izay efa nampandrenesina mialoha. Rehefa niha-nalalaka ilay lavaka dia farango vy narohizana tady no nisintomana azy ireo tsirairay. Indrisy fa efa vatana mangatsiaka nilona fotoka sy rano moa no nampiakarina avy any. Araka ny filazan’ny mpitsabo dia mbola niangona tao ambanin’ny lava-drano ny entona mahafaty tavela tamin’ilay fandoroana mololo, antony nahasepotra izay olona rehetra nilatsaka tao. 22 taona, 42 taona ary 52 taona moa izy telo mirahalahy mianaka, namoy ny ainy ireto. Taorian’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Nanokatra ny fanadihadiana kosa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Tsiroanomandidy.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici