- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversHopitaly kely Toamasina : Fanaovam-bakisiny momba ny covid-19 ao anatin’ny 100 andro

Hopitaly kely Toamasina : Fanaovam-bakisiny momba ny covid-19 ao anatin’ny 100 andro

Nambaran’ny solon-tenany OMS eto amintsika teto Toamasina, fa nanomboka ny alatsinainy 18 jolay ary ahaharitra 100 andro ny fanaovana vakisiny faobe momba ny covid-19 eto Toamasina. Raha ny voalaza tamin’ny mpanao gazety dia vakisiny “Pfizer” no atao mandritra ity fanaovam-bakisiny faobe ity, ka afaka manantona ny eny amin’ny hopitaly kely sy ireo CSB II ireo olona mihoatra ny 18 taona sy ireo hanao ny “Boost” momba izay vakisiny izay. Raha ny tarehimarika fantatra dia tsy misy afa-tsy 3,49% na 1,01 tapitrisa ny Malagasy ireo nahavita vakisiny feno hatramin’izao, ka izany no ataon’izao ezaka amin’ny fanaovana vakisiny karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamana izao. Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ihany koa fa ny vakisiny no afaka miaro ny olona mihoatra ny 80%, ka izany no antony nanaovana ity fanaovam-bakisiny faobe anatin’ny 100 andro ity. Tena maharo amin’ny fiatrehana ny aretina ao anatin’ny fahasarotana ny fanaovana vakisiny, nefa afaka tena miaro amin’ny fitrangan’ny valan’aretina ihany koa izany. 

Malala Didier  

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici