- Publicité -
lundi 15 août 2022
- Publicité -
MG
DomicileFaits-DiversFitokonan’ny mpamboly “vanille” tao Maroantsetra : Te hampidina ny vidiny ny mpandraraha,...

Fitokonan’ny mpamboly “vanille” tao Maroantsetra : Te hampidina ny vidiny ny mpandraraha, niditra an-tsehatra ny faritra

Tsy mbola nisy 10 taonina akory ny vokatra lavanila novidian’ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra tany amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny, dia nilaza izy ireo fa efa feno ny “quota”-ny, ka tsy afaka hividy vokatra intsony izy ireo amin’ity taona ity, raha ny fanazavana azo. Raha ny marina anefa, te hampidina ny vidin’ity volamena maitso ity izy ireo ary handray izany amin’ny vidiny mora tamin’ireo mpamboly, latsaky ny efa napetraky ny Fanjakana. Izay toe-javatra izay no anisan’ny nampitroatra ireo fokonolona tao Maroantsetra, indrindra ny tao Manambia, Ankofabe, ka nitokonan’izy ireo. Tapaka tanteraka, nandritra ny fotoana elaela iny lalam-pirenena fahadimy iny omaly, rehefa nobahanan’ireto tantsaha mpamboly lavanila ireto.

Nisy avy hatrany moa ny fandraisana fepetra nataon’ny faritra, niaraka tamin’ny OMC tany an-toerana hamahana ny olana. Araka ny fanazavana nomen’ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, omaly ihany dia nisy ny fidinana ifotony nataon’izy ireo tany amin’ity toerana ity, niaraka tamin’ny mpandraharaha hafa vonona ny hividy izany vokatra lavanila izany amin’ny vidiny tena izy. “Nandray andraikitra ny faritra, hoy izy, ka nitondra mpividy vokatra any an-toerana afaka mividy ny vokatr’ireo vahoaka araka ny vidiny efa napetraky ny Fanjakana androany (ndlr omaly)”. Azo lazaina fa efa milamina ny toe-draharaha any an-toerana, raha ny angom-baovao hatrany ary efa mizotra ara-dalàna ny fifamoivoizana, tamin’ilay lalana tapaka teo. Marihina moa, fa nilaza ny tsy handefitra mihitsy manoloana ireo fanararaotana ataon’ireo mpandraharaha mpividy lavanila amin’ny vidiny ambany, latsaky ny efa napetraky ny fanjakana, ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Guide du week-end

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici