- Publicité -
mardi 9 août 2022
DomicileFaits-DiversToamasina : Zandary sandoka nahazo vola an-tapitrisany maro  

Toamasina : Zandary sandoka nahazo vola an-tapitrisany maro  

Tsy misy hamantarana azy mihitsy hoe mpisoloky sy mpisandoka raha ny fijery ivelany. Ny antony dia manana fanamiana zandary izy ary maromaro. Solosoloiny arakarak’izay olona hofitahiny ny akanjo misy marika zandary ary dia betsaka tokoa ny roboka. Nisy fitarainana tonga teny anivon’ny zandarimaria mahakasika ny fisolokian’ity zandary sandoka ity no sady nampahafantatra ny misy azy koa. Nanomboka teo no nokarohina ilay olona ary ny andron’iny ihany dia voasambotra. Teo koa no nivoaka ny momba azy rehetra. Isan’ny olona voasolokiny farany ny olona iray izay nampanantenainy fa afaka mampiditra ho zandary. Mbola kandidà amin’ny fifaninana ho zandary io nataony lasibatra io. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nilaza ilay mpisandoka fa fampiasany ny filazàna hoe zandary izay miasa eo anivon’ny toby Ratsimandrava, eto an-drenivohitra izy. Rehefa nohamarinina ny lisitry ny zandary dia tsy misy mitondra ny anarany mihitsy. Nivoaka hoazy ny marina nanomboka teo. Betsaka ny olona izay efa nahazoany vola noho ny fisandohanaho lietnà na koa indraindra adjida-sefo. Miatomboka amin’ny iray tapitrisa ariary ka hatramin’ny 40 tapitrisa ariary no efa azony tamin’olona. Rehefa natao ny fisavàna ny tranony dia nahitàna fanamiana zandary karazany maro sy kojakoja hafa izay fampiasan’ny zandary hatrany. Tsy nisy karatra kosa anefa teny aminy rehefa nanontaniana sy notakiana. Tsy voalohany no nisy ny tranga toa izao ary mitovitovy hatrany ny fomba fisehoany dia ny fampanantenana olona ho tafiditra ho zandary izany na koa ho mpiasam-panjakana. Rehefa lasa ny vola izay vao tonga saina ny olona fa mpisoloky no niresaka sy nitango ny volan’izy ireo. Mbola tany amin’iny faritra atsinanana iny koa no nisy lehilahy iray izay voalaza fa mpisandoka ho zandary ary voasambotra raha teo am-panaovana vakansy tany Foulpointe. Feno azy ny sary amin’ny tambajotra sosialy ary sariny manao fanamiana zandary, mitazona basy, mitaingina fiaran’ny zandary sy ny maro hafa koa. Namoahana vaovao ofisialy ny momba azy ho mpisandoka ary andro vitsivitsy taorian’izay dia fantatra fa namoy ny ainy ilay rangahy. Mbola mistery hatramin’izao ilay raharaha. Na izany aza, betsaka ny mpisandoka ary tena tian’izy ireo mihitsy ny milaza ho zandary. Mila mailo hatrany ny olon-tsotra…

D.R

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici