- Publicité -
MG
vendredi 19 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTafika Malagasy : Miaramila nanao “rengagement” hosoka, voasambotra

Tafika Malagasy : Miaramila nanao “rengagement” hosoka, voasambotra

Tovolahy iray, efa nanao miaramila ka mbola te hamerina ny hiditra eo anivon’ny Tafika, na ilay hoe “rengagement”, no voatery nosamborina ary natolotra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ho amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana, tany Antsirabe. Voarohirohy tamin’ny fanaovana izany hosoka teo amin’ny fanaovana izany “rengagement” izany ny tenany ary izao tra-tehaka izao. Nambaran’ny teo anivon’ny Tafika Malagasy fa “efa tambajotra iray mantajaka mihitsy izy ity, satria maro amin’ireo tanora no te hiditra ho amin’izany, ary mitady lalana etsy sy eroa. Hararaotin’ireo olon-dratsy izany, hanaovana asa ratsy toa izao, hitakiany vola sy hilazany hoe mahatafavoaka fiantsoana miaramila. Maro araka izany ireo roboka”. Tsikaritr’ireo tomponandraikitra izay zavatra izay ary nahatonga azy ireo hijery akaiky izany toe-javatra izany ary dia izao nahazoana vokatra izao. Milaza ny tsy handefitra mihitsy moa izy ireo ho an’izay olona mpiray tsikombakomba amin’izany asa ratsy izany ary na iza na iza, na miaramila na sivily.

Nilaza moa ny teo anivon’ny Tafika fa ny fiantsoana miaramila dia voasonian’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika irery ihany. Koa manentana ny rehetra, raha misy ny tranga hafa ankoatr’izay dia mba hanatona avy hatrany ny tomponandraikitra, hahafahana manafoana izany asa ratsy izany. Nanamarika anefa izy ireo fa nasiana fiatoana aloha izay fandraisana ho miaramila izay, satria nisy ny masontsivana noraisina. “Ilaina mantsy ny miaramila manana fahaizamanao mba ahafany manatanteraka antsakany sy andavany ny asa eny kianja ho fametrahana ny vina napetrakin’ny fitondram-panjaka amin’ny fametrahana ny fandriam-pahelamana maharitra fa eo ihany koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany” hoy ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici