- Publicité -
MG
jeudi 18 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFandaharanasa ACCESS – USAID : Nanolotra kidoro sy fandriana 100 avy ny...

Fandaharanasa ACCESS – USAID : Nanolotra kidoro sy fandriana 100 avy ny fitalevan’ny fahasalamana atsinanana…

Efa fanindroany fitaovana natolotry ny fandarahanasa ara-pahasalamana ACCESS, na Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained, izay vatsian’ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny USAID izay tanterahan’ny MSH, na Management Science for Health, ireto entana tao anaty kaontenera roa izay miteti-bidy 80tapitrisa ariary.

Nahitana kidoro sy fandriana 100 izy ireo, teo koa ireo fitaovana ara-pahasalamana samy hafa izay mifandraika amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny faritra atsinanana mihintsy. Ny voalohany tamin’ny fanomezana io niseho ny taona 2020 tao anatin’ireo valanaretina Covid-19 ireny mihintsy. Ny tanjona mantsy ho an’ity fandaharana’asa ara-pahasalamana maharitra dimy taona nanomboka tamin’ny taona 2019 ity, dia ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy amin’ny fomba maharitra, sy amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny fihazonana ny tolotra ara-pahasalamana mitohy sy ilaina amin’ireo faritra misitraka ny fandaharan’asa. Samy ahazo amin’ireto fitaovana ireto avokoa ireo tobi-pahasalamana fototra, CSB II, any amin’ireo distrika sy kaominina maro ka ny fandaharanasa ACCESS – USAID ihany no hanatitra izany any amin’ireo toerana ireo.

Nambaran’Atoa Razafindrafito Haja tale lefitra eo anivon’ny Usaid, fanatao ahafa-po ireo olona mila fitsaboana tsara sy manara-penitra any ambanivohitra any ireto fitaovana ireo, efa nahazo fihofanana raha teo ireo mpitsabo ampiasa izany isaky tobi-pahasalamana. Ho an’ny Dr Yasmine Laetitia Lydia sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana, dia tonga amin’ny tena tanjona ilana azy tokoa ireto fitaovana ireto araka ny veliranon’ny filoha fahadimy lanao hoe “fahasalamana ho an’ny rehetra sy tsy manavaka taona”.

Efa tamin’ny taona 2019 ny fandaharanasa ara-pahasalamana ACCESS – USAID no nanolotra kaontenara niisa 28 ho an’i Madagasikara fiaraha-miasa amin’ny CURE, amin’ny fanampiana ireo fitaovana ara-pahasalamana samy hafa. Tonga tsikelikely ireo kaontenera ireo ka faritra 11 izay hiasan’ny fandaharanasa ACCESS – USAID no hizarana izany hatramin’ny taona 2023, dia faritra Alanajirofo – Atsinanana – Vatovavy – Fitovinany – Atsimo Andrefana – Manabe – Melaky – Boeny – Diana – ary Sava.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici