- Publicité -
MG
vendredi 19 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnkadifotsy : Trano maromaro indray nirehitra omaly

Ankadifotsy : Trano maromaro indray nirehitra omaly

Nitrangan’ny hain-trano omaly antoandro teny Ankadifotsy.  Araka ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana dia trano hazo no niantombohan’ny afo ka nitatra tamin’ny trano hafa teo akaikiny. Vokany, trano maromaro no may tamin’izany ary tokantrano miisa valo no fantatra fa tsy manan-kialofana. Niezaka namono ny afo ny fokonolona teny an-toerana, mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Tao anatin’ny fotoana fohy no nahatongavan’ireto farany, ary namono ny afo tamin’ny alalan’ny fitaovana efa arifomba. Na izany aza, nanano sarotra ny famanoana izany satria teritery ny teny an-toerana. Samy niezaka namoaka ny entany ny niharam-boina, saingy nisy ihany ireo taraiky. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na nisy aza ny ratra mandinidinika nandritra ny asa famonjena. Voafehy ny afo ora vitsy taorian’ny firehetana. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Voalaza fa niniana nodorana ny trano kanefa tsy mbola voamarina ka andrasana ny fanadihadian’ny polisy, izay efa mandray an-tanana ny raharaha. Marihina fa vao tsy ela no nisy haintrano ihany koa teny Ankadifotsy sy teo Behoririka izay tsy lavitra eo. Fotoanan’ny haintrano izao noho ny hamainan’ny tanana sy ny rivotra ka tokony samy ho mailo ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ny manodidina.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici