- Publicité -
lundi 8 août 2022
DomicileFaits-DiversFanakanan-dalana :  Fiara nitondra pretra sy ankizy, notafihan’ny jiolahy

Fanakanan-dalana :  Fiara nitondra pretra sy ankizy, notafihan’ny jiolahy

Na olon-tsotra na mpitatitra, eny fa na hatramin’ireo mpitondra fivavahana hatreto dia efa lasibatr’ireo mpanakan-dalana. Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy dia fiara nitondra pretra sy ankizy avy namonjy Andron’ny ankizy tany Morombe no niharan’ny fanafihana teny an-dalana, raha izy ireo handeha hody, hihazo an’i Beroroha iny. Toerana somary mangina, antsoina hoe Kitselimbazaha no nanakanan’izy ireo ity fiara tsy mataho-dalana nitondra ireto mpitondra fivavahana ireto, raha ny angom-baovao azo. Nahatratra teo amin’ny enin-dahy teo ireo malaso, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana, izay nitondra fitaovam-piadiana ; zava-maranitra sy basy, nanakana ny lalana ary nandrahona ireo rehetra tao anaty fiara sy ny mpamily mba hijanona. Vaky noho ny toraka nataon’ireo olon-dratsy moa ny fitaratra alohan’ilay fiara ary vantany vao tafajanona ity farany dia nararangan’ireto jiolahy ny fitaovam-piadiana teny aminy. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy afaka nanao na inona na inona ankoatra ny nilefitra teo anatrehan’ireto mpanakan-dalana sy nanome izay zavatra notakiany ireo lasibatra. Izy ireo rahateo izay tratran’ny  be noho ny vitsy ary mbola sady mitondra ankizy. Lasa vokatr’izany avokoa ireo fitaovana nentin’izy ireo, toy ny solosaina fentin-tanana, fakan-tsary ary ny findain’ireo olona rehetra tao anaty fiara, ankoatra ny vola moa mazava ho azy. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany fanafihana izany, hoy hatrany ny vaovao. Taorian’ny fampandranesena nataon’ireo niharam-boina tamin’ny zandary tany an-toerana moa dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireto farany. Nanomboka tamin’io andro io dia efa nandeha ny hazalambo hikarohana ireo olon-dratsy. Niditra an-tsehatra nitarika ireo olom-peheziny amin’izany mihitsy moa ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ankazoabo Atsimo. « Tsy mbola misy aloha hatreto ny olona voasambotra, saingy tsy hamelanay raha tsy hita izy ireo », hoy ny filazan’ity manamboninahitra ity. Miaraka amin’ny Dinabe any an-toerana moa ireto mpitandro filaminana ireto amin’ny fitetezana ireo tanàna rehetra, hikarohana ireto malaso nanafika pretra ireto.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici