- Publicité -
lundi 8 août 2022
DomicileFaits-DiversRongony mahery vaika : Vehivavy lehibe tra-tehaka nivarotra « Rox », tetsy Ankazomanga

Rongony mahery vaika : Vehivavy lehibe tra-tehaka nivarotra « Rox », tetsy Ankazomanga

« Rox » na heroine. Amin’ny faritra rehetra eto an-drenivohitra, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy, dia samy manana ny anarana omeny an’ity rongony mahery vaika ity avokoa ny rehetra. Mazava ho azy fa tetik’ady entina manafina ny fandraisana na fivarotana izany rongony mahery vaika izany. Afak’omaly, na dia noezahina nafenina tao ambadiky ny petak’anarana hoe Rox aza ny heroina, dia tra-tehaka ihany ny olona mpanaparitaka izany teny amin’iny faritra Ankazomanga iny. Ny tena nahazendana dia vehivavy no tompon’antoka ary vehivavy efa nahazo taona ihany. Nandritra ny fotoana maharitra tokoa dia niparitaka ny feo fa misy olona mivarotra « rox » eny an-toerana. Tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ny feo ary niezaka ireto farany namantatra izany sy niezaka nitady io mpivarotra io. Tsy ela dia hita sy fantatra ny trano nisy izany ary natao ny fanaraha-maso. Napetraka ny vela-pandrika nony avy eo rehefa tsikaritra fa tena zava-mahadomelina mahery vaika tokoa ilay « rox » na « heroine » ary nosamborina tao an-tranony ny mpivarotra. Vehivavy no tra-tehaka tao, ary izy no tompon’antoka. Mbola nahatratrarana rongony 10 fonosana teny aminy, hoy ny vaovao. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana fa teratany vahiny no mpamatsy azy, ary valo alina ariary no andraisany ny iray grama. Tsinjarain-dramatoa anaty fonosana 30 ka hatramin’ny 35 isa izany ary amidiny dimy ariary indray avy eo. Omaly moa no natolotra ny Fampanoavana ramatoabe. Heverina fa efa misokatra ihany koa ny tohin’ny fanadihadiana, hikarohana ity teratany vahiny, mpamatsy azy.

 m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici