- Publicité -
lundi 15 août 2022
- Publicité -
MG
DomicileFaits-DiversAnosiavaratra sy Sab-Nam : Mbola tsy niverina ihany ny takelaka « tongasoa »

Anosiavaratra sy Sab-Nam : Mbola tsy niverina ihany ny takelaka « tongasoa »

Ny harivan’ny nanokanana azy ihany dia nosimbaina toa izao.

Efa nisy ny fifanarahana nataon’ny kaominina roa tonta ary natrehin’ny manam-pahefam-panjakana izany dia ny sefo distrika sy ny solombavambahoaka. Mahakasika izany ny famerenana amin’ny laoniny ny takela-by miarahaba tongasoa ao Anosiavaratra ho an’ny olona mandalo eo. Endrika ivelany ihany izay fa kosa ara-panjakana dia manomboka eo izany ny fari-piadidian’ny kaominina Anosiavaratra. Iray volana lasa izay dia nopotehin’ny olona izay azo sary io takela-by io, tsy ela akory fa ny harivan’ny fanokanana ara-pomba ofisialy azy. Tsy vitan’izay fa mbola nisy fikasihan-tànana koa ankoatra ny fanimbàna ilay fananana iombonana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny kaominina dia voalazan’izy ireo fa olona nirahin’ny kaominina Sabotsy-Namehana ireo nanimba ny takela-by ary nidaroka ny mpiasan’ny kaominina Anosiavatra anankiroa. Nisy mihitsy ny fitoriana mahakasika izay ary nipetraka teo anivon’ny fampanoavana Anosy ny 5 jolay lasa teo. Fitoriana noho ny fanimbàna fananam-bahoaka sy fikasihana mpiasan’ny kaominina ary napetraka amin’anaran’ny ben’ny tanàn’Anosiavaratra io ary raha ny re dia efa nisokatra ny fanadihadiana momba izany, saingy tsy mbola fantatra ny fizotrany. Mihenjan-droa araka izany ny tady eo amin’ny kaominina roa tonta na dia efa nazava aza ny famaritan’ny Foiben’ny Taon-tsaritanin’i Madagasiara (FTM) ny toerana izay hizaràn’ny kaominina voakasika. Ho an’Anosiavaratra dia ny famerenana ny takela-by amin’ny laoniny ihany no tena takian’izy ireo, ankoatra ny fampiharana ny lalàna momba izany sy ny fandratràna olona. Mitodika any amin’ny solontenam-panjaka sy ny olomboafidy any amin’iny distrika iny koa ny maso ankehitriny satria toa notsinontsinoavina ny fanatrehan’izy ireo ny fitokanana rehefa nopotehina ny harivan’iny ihany ilay fananana iombonana. Asa izay mety ho fandraisan’izy ireo andraikitra manoloana ny raharaha.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici