- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBetafo : Vola sandoka meherin’ny 21 tapitrisa ariary saron’ny mpitandro filaminana

Betafo : Vola sandoka meherin’ny 21 tapitrisa ariary saron’ny mpitandro filaminana

Miparitaka ny vola sandoka ao amin’ny distrika Betafo sy ny manodidina indrindra ao amin’ireo kaominina manodidina. Lehilahy iray mantsy no nahatratrarana vola sandoka antapitrisany maro tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antohobe. Toa efa maty paika hatry ny ela mihitsy ny asa ratsin’ity rangahy sarona ity satria vahiny izy saingy nipetraka tao naharitra, nanofa tany ho voleny. Matetika izy no mivezivezy, mifindrafindra sy mifanakalo amin’ny mponina any an-toerana hanakalozany ilay vola sandoka. Talohan’ny nahatratrarana azy tao amin’ny fokontany Masoandronarivo dia efa nanaparitaka vola sandoka tany amin’ny tanana antsoina hoe Ankorosovola Antohobe ihany izy. Fomba fiadin’ity rangahy mpanao vola sandoka ity ny mividy zavatra sy misotrosotro amina toeram-pivarotana iray, vola 20 000 ariary no homeny, ampiriminy ny famerim-bola, mividy zavatra hafa indray izy aveo dia manome 20 000 ariary vaovao dia toy izay hatrany. Mahana tamin’ny fihetsiny ilay mpivarotra ary nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Rehefa nosavaina ny sakaosiny dia nahitana vola sandoka 21 860 000 airiary. Notanana avy hatrany ilay rangahy, mazava fa efa maro ny vola sandola miparitaka tao amin’ny kaominina nandehanany. Tsy miasa irery ity rangahy ity fa misy namany hafa nitsoaka nandositra vantany vao nahare fa voasambotra ny namany iray.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici