- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFamakiana trano na mpanao gazety : Nidoboka am-ponja ingahy Etienne Sylvestre…

Famakiana trano na mpanao gazety : Nidoboka am-ponja ingahy Etienne Sylvestre…

Raha niakatra fitsarana teo anoloan’ny fampanoavana ingahy Etienne Sylvestre na ingahy Congo, tsy nisalasala ny tonia mpampanoa lalan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina fa avy hatrany dia nampiditra azy fonja vonjy maika aloha. Raha ny fazavana mantsy dia tratra ambodiomby tao an-trano na mpanao gazety monina ato Toamasina, Analakininina Hopitaly be, ny tenany tokony tamin’ny 02ora sy fahefany ny alin’ny talata 26 jolay nifoha ny alarobia 27 jolay. Nivoaka nandritra ny fampidirana azy am-ponja vonjy maika ihany koa anefa ny daty hanaovana ny fitsarana izay atao ny 11 aogositra ho avy izao araka ny voalazan’ny fitsarana. Teo am-pisavana ireo paoketra sy midaty ireo zavatra tiany angalarina tao an-tokantranon’ity mpanao gazety ingahy Sylvestre no taitra tampoka ny tompon-trano ka nikoropaka ilay jiolahy izay irery nandritra izany, ka narahan’izy ireo ny lalana nandehanany. Teo no nahalalana ny vavahady nidirany ka noraisim-potsiny taorian’ny fahatongavan’ny polisy nanao ny fisamborana. Ankoatra izany dia matetika no hiaraka halatra hatrany ny fiompian’ity mpanao gazety ity saingy tsy nisy ny porofo ireo nangalatra izany, ka nijanona teny fotsiny ny raharaha, fa tamin’ity indray mitoraka ity fantatra ny nanao izany dia ingahy “Congo” na Sylvestre ka noraisim-potsiny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Vendredi joli

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici