- Publicité -
MG
jeudi 18 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversNahabevohoka ny zanany vavy tsy ampy taona : Voaheloka asa an-terivozona 05taona...

Nahabevohoka ny zanany vavy tsy ampy taona : Voaheloka asa an-terivozona 05taona ingahy Radimilahy Georges…

Isany fitsarana nahaliana olona maro ity tranga niseho tao amin’ny efitranon’ny fitsarana ambony ity. Raha iverenana ny raharaha dia nitranga niseho tao Vohitsara fokontany Savalaina kaominina Ambinaninony distrikan’i Brickaville izy ity, ka nandritra izany satria moa tsy ao an-trano ny renin’ilay ankizivavy, Nantenaina Francia Angèla 15 taona, ka nandritra izany dia naolany tao an-trano  ilay ankizivavy izay saika isan’andro mihintsy izany. Rahonany ho vonoina ity ankizivavy zanany ity vao mitantara ny zavatra nataon’ny rainy azy aman’olona, ka nangina tsy niteny na tamin’iza ny nanjo azy. Vokatra izany dia bevohoka ilay ankizivavy taty aoriana, ka teo vao vaky bantsilana ny nafenina rehetra. Raha ny fanazavana dia ny reniben’ilay ankizivavy no nitantarany ny nanjo azy taorian’ny nahabevohoka azy, ka nambarany tamin’izany fa ny rainy Radimilahy Georges ihany no rain-janany; izay tsy eken’ny fiaraha-monina Malagasy sy ny lalana Malagasy ny fanaovana izany. Nandritra ny fifandarahana teo amin’ity voaheloha sy ny mpitsara ary ny fiarovana, dia tsy fantany izay asan’ny satana nanalokaloka azy isaky ny mahita ny zanany vavy ny tenany. Nohamafisiny teo anoloan’ny fitsarana fa efa nifona tamin’ny rafi-piaraha-monina sy ny fianakaviany ny tenany ary efa nilaza izy fa hiatoka omby iray nahadiovana izao raharaha izao mba tsy hanolorana azy ny fitsarana. Fantatra teo anoloan’ny fitsarana fa ny rafozany Rtoa Solovavy Noeline no mpitory amin’izao raharaha izao, ka taorian’ny fifandaharana teo amin’ireo mpiady sy ny mpitsara ary ny fampanoavana dia nivoaka ny didin’ny fitsarana ady heloka fa mifonja asa an-terivozona dimy taona am-ponja an-tranomaizina sy dimy taona tsy mahazo mandia tanindrazana ingahy Radimilahy Georges. Afaka am-pisalasalana kosa ny renin’ilay ankizivavy nambara fa niray tsikombakomba tamin’izao raharaha izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici