- Publicité -
MG
vendredi 19 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversToby Ankaramalaza : Diakona sandoka, tratra nitaty rakitra an-tsokosoko

Toby Ankaramalaza : Diakona sandoka, tratra nitaty rakitra an-tsokosoko

Lehilahy anankiroa no nosamborina sy natolotra ny zandary tao amin’ny zana-tobim-paritra Lokomby, ny faran’ny volana teo. Tratra nangalatra sy nisoloky olona tao amin’ny Toby Lehibe Ankaramalaza izy ireo , raha ny fampitam-baovao azo. Ankoatry ny fifampitoraham-bato tao am-piangonana nataon’ireo mpino tamin’ny trano fivavahana iray teto an-drenivohitra, sy ny entana halatra nafenin’ny mpanao azy sy tratra tao am-piangonana, tany an-drenivohitr’i Betsileo, dia mpisoloky nisandoka ho “diakona” indray no tra-tehaka nangorona ny rakitry ny mpino tao Toby Ankaramalaza. Nandritra zaikabe natao tao amin’ity Toby fanta-daza ity no nisehon’ity tranga mahatsikaiky sy mahavalalina ity, ny andron’ny alahady teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any dia tsikaritry ny tompon’andraikitra tena izy ny lehilahy, izay manao fiakanjon’ireo tompon’andraikitra ao am-piangonana ary nandeha teny amin’ireo mpino tonga nanatrika ity fotoam-bavaka ity no sady mitaty rakitra an-tsokosoko. Nahitan’ny fahavorian’ireo mpino marobe, tsy misalasala manome rakitra angamba ny anao lahy ka tsy nitsiry ho azy ny sain-dratsiny. Natonina avy hatrany ny lehilahy ary noraisim-potsiny. Fa tsy vitan’izay, nisy naman’ity lehilahy ity ihany koa tra-tehaka tamin’io fotoana io ihany koa, nangorona sy nangalatra lamba indray. Nosamborina teo no eo avy hatrany moa ireto roalahy ireto ary natolotra avy hatrany ny zandary tao an-toerana. Nanaovana fanadihadiana savaranonando izy ireo ary notanana natao andrimaso tany amin’ny tobin’ny zandary nony avy eo. Raha ny zava-misy amin’izao tokoa dia tsy hisalasalàna fa efa maro amin’ireo mpiditra am-piangonana no efa tsy zanak’Andriamanitra intsony .

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici