- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversManarintsoa Afovoany : Tovolahy kely mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Manarintsoa Afovoany : Tovolahy kely mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Izy telolahy mpampihorohoro vahoaka.

14 taona, 17 taona ary 20 taona. Ireo ry zalahy mpampihorohoro olona eny amin’iny faritra Vorondamba Manarintsoa Afovoany iny, amin’ny sambatra lavalela sy maranitra. Efa tsy zoviana amin’ny mpitandro filaminana intsony izy telolahy kely ireto, fa sady mpanendaka no mpangaraom-paosy, tontakely hikoizana eny an-toerana. “Zatovo efa be traikefa sahady amin’ny asa ratsy” hoy ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, ary efa fanaon’izy ireo ny mampihorohoro ireo izay mandeha maraina amin’iny faritra iny rehefa manao ny asa ratsiny ary efa maro rahateo ireo olona lasibatra sy mitaraina ny amin’ny afitsok’izy ireo”. Ny talata vao maraim-be izy telolahy ireto no voasambotry ny pôlisin’ny PPA Ampefiloha, niaraka tamin’ny polisin’ny SAG, tetsy Manarintsoa. “Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina rehefa nanao ny fisafoana fanaony ny polisy miasa ao amin’ny PPA Ampefiloha, niaraka tamin’ny Sampan-draharaha misahana manokana ny fiadiana amin’ny asan-jiolahy, na ny Service Anti-gang (SAG) dia natsikaritra tovolahy telo hafahafa fihetsika teny amin’iny toerana iny. Niroso tamin’ny fanakanana azy ireo ny polisy, ka nikasa ny handositra ireto tovolahy ireto” hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tsy lasa lavitra anefa dia voapaingotra avokoa izy telolahy. Tamin’ny fisavàna azy ireo no nahafantarana fa ireo tontakely, efa ela nokarohina, nampitondra faisana iny faritra iny sy ny manodidina izy ireo. Mbola hita tany amin’izy telolahy kely ireto moa ny fitaovam-piadiana fentin’izy ireo mampihorohoro ireo olona : antsy lehibe anankiroa. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy izy ireo. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana.

Raha izao amin’ny taonan-dry zalahy izao sahady moa izany no efa “be traikefa” amin’ny asa ratsy, dia hanao ahoana any aoriana ao. Ny fonja eto amintsika efa hiarahan’ny rehetra mahalala fa lavitry ny maha toeram-panarenana azy …

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici