- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpangala-jaza roa lahy tra-tehaky ny zandary

Tsiroanomandidy : Mpangala-jaza roa lahy tra-tehaky ny zandary

Racle sy ny namany, voapaingotry ny zandary.

Zazalahy kely iray, 11 taona, no  nisy naka an-keriny tao an-tananany tao Antanambao, Imerintsiatosika, tokony ho roa herinandro lasa izay. Nisy ny angom-baovao azon’ny zandary fa hoe mialokaloka any amin’iny faritra Bongolava iny ireo olon-dratsy niaraka tamin’ity zaza ity, ka nandray andraikitra avy hatrany izy ireo.

Ny talata teo, rehefa napetraka ny paik’ady rehetra dia tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tsiroanomandidy, tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Soamanana, kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy ny lehilahy iray, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Racle. Ny harivan’io ihany koa dia efa voasambotra ihany namany iray, izay notondroiny ho isan’ny namany, izay mpiray tsikombakomba aminy tamin’ity resaka fakàna an-keriny ity. Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy ireto, hoy hatrany ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary dia mbola nandà sy nanizingizina ny tsy nanao io asa ratsy io izy ireo. Noho ny fahaiza-manaon’ireo zandary anefa tamin’ny fikaroham-baovao sy ny tariny dia fantatra fa nafenin’izy ireo tao amin’ny tanana antsoina hoe Antsakamalao, tao amin’io fokontanin’i Soamanana io ihany io zazalahy nalain’izy ireo an-keriny io. Ny marain’ny alarobia teo dia nidina vao maraina tany amin’io tanana io ireo mpitandro filaminana ka hita tao amin’ny tranon’ilay olon-dratsy iray naman-dRacle, tokoa ilay zazalahy. Avotra soa aman-tsara ary salama, hoy hatrany ny vaovao.

Taorin’izay kosa dia nentina avy hatrany notazomina natao andrimaso ireto mpangala-jaza ireto, izay niaiky ihany nony farany fa izy ireo no anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fakàna an-keriny ity zazalahy ity. Marihina, hoy hatrany ny vaovao, fa mbola misy naman’izy ireo mpiray tsikombakomba any, ary efa eo an-dalam-pikarohana izay ireo mpanao fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici