- Publicité -
mercredi 10 août 2022
DomicileFaits-DiversBizina “Heroine” : Anaty akanjon-jaza vao teraka no hanafenany ny entam-barotra

Bizina “Heroine” : Anaty akanjon-jaza vao teraka no hanafenany ny entam-barotra

Lehilahy anankiroa no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomellina, teny amin’iny faritra Ankorondrano Andrefana iny iny alakamisy teo, noho ny fandraisana sy fanaparitahana ity rongony mahery vaika ity.

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Marina tsy hiadian-kevitra ity oham-pitenenana ity raha ity tranga teny Ankorondrano ity tokoa no jerena. Rehefa tonga hisava ny tranon’ity lehilahy, voalaza fa mpibizina heroine mantsy ny pôlisy, dia tsy nahita na inona na inona. Tsikaritr’ireo mpanao fanadihadiana anefa fa mitaiza zaza vao teraka, ilay rangahy voatondro ary kaodikaody fatratra no sady mamihana mafy ilay zaza ihany. Voatery nosavaina io zaza teny an-trotrony io ka akory ny hagagan’ireo mpitandro filaminana, fonosana “heroine” am-polony maro no tra-tehaka tao anatin’ny bodofotsy namonosany izany zaza izany.

Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao dia “fantatry ny polisy miasa ao amin’ity sampan-draharaha ity fa misy olona mamatsy « rôrô » eny amin’iny faritra iny, ka nidina ifotony izy ireo nanao ny vela-pandrika rehetra hahatratrarana izany”. “Tonga tsy nantsoina nasesiky ny razana » hoy ny fiteny, lehilahy iray no tazan’ireo Polisy nanao ny vela-pandrika nivoaka ilay fonenana hisamborana ilay mpamatsy. Tazan’izy ireo ho hafahafa fihetsika ity lehilahy ity, noho izy mikirakira zavatra saika ampidirina am-paosy. Vantany vao nanantona ny polisy, dia kaodikaody izy, ka saika hitsoaka. Voasambotra ihany anefa. Nosavaina ilay paosy, ka « côcôte » telo ahitana rôrô no hita tany aminy”. Fantatra teo araka izany fa tena tao amin’io trano io tokoa no misy mpamatsy io heroine io. Nandeha avy hatrany ny fisavàna, saingy io tsy nahitàna na dia tamingana heroine iray io aza tao an-trano. Hay moa ka nezahin’ingahy nafenina tany anaty lamban-jaza izany zava-mahadomelina mahery vaika izany. “Tsy afa-niala intsony araka izany ity raim-mpianakaviana ity fa tena mivarotra rôrô amin’izay olona miantso azy ary olona efa atokisany no ivarotany izany. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ireto farany hanokafana ny fanadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa vao roa volana no nanaovany ity famatsiana rôrô ity ary eny amin’ny IVO Antohomadinika izy no maka ny entana amidiny”. Omaly moa no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy roalahy ireto.

m.L

- Publicité -
Jovena
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici