- Publicité -
MG
mardi 16 août 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversSabotsy Namehana : Mpangalatra finday, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Sabotsy Namehana : Mpangalatra finday, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Teny an-tanana zaza ity finday ity no nosintomin’ny lehilahy iray. Maro anefa ny nahita izany ka rafitra nanenjika ilay mpanendaka. Tsy ela dia voasambotra ary efa saika ratsy fiafara raha tsy tonga ny pôlisy. Tranga niseho tao Sabotsy Namehana ny alakamisy teo. Raha ny fanazavana azo, teo Antsinanantsena teo, zazakely 12 taona nitazona finday no lasibatry ny mpanendaka. Efa tsikaritr’ilay mpanao ratsy hoy ny loharanom-baovao azo ny fisian’ity finday ity teny an-tanan’ilay ankizy ka nohararaotiny. “Nanatonany ary narahany moramora ka rehefa varimbariana dia nosintoniny ilay finday” hoy ny vaovao. Tsikaritry ny rehetra ny zava-nisy ary vao maika moa nanaitra ny fokonolona teo amin’ny manodidina ny antso vonjin’ity lasibatra, ka tsy nisalasalan’izy ireo nanenjika ilay olon-dratsy. Tsy lasa lavitra akory ity farany dia voasakan’ireo mpanenjika. Efa niainga aloha ny daroka sy vono ary angamba saika ny ain’ity farany mihitsy no nanaraka raha tsy tonga teo an-toerana ny pôlisy, izay nisy nampandre avy hatrany taorian’ny tranga niseho. Ireto farany no nanesotra azy avy hatrany teo ambany hatezeran’ireo vahoaka ary nitondra azy avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Anisan’ny manintona ny mason’ny mpangalatra tokoa ny finday mideradera eny am-pelatanana. Indrindra moa fa hoe eny am-pelatanan’ny ankizy. Na izany aza misy dia misy tokoa ny tokony ho andraikitry ny ray aman-dreny, ny amin’ny tsy tokony hamelàna ny ankizy hitondra zavatra sarobidy eny an-dalana. Mety ho tena zava-doza mantsy no hiseho, ankoatry ny fananana very.

 m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
299,440FansAimer
1,213AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici