- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAlarobia : Jiolahy tratra nitondra basy kilalao

Alarobia : Jiolahy tratra nitondra basy kilalao

Mpamaky trano, mpanendaka, mpifoka rongony, mpampihorohoro. Vao enim-bolana monja no nivoaka ny fonja ity olon-dratsy dia efa tra-tehaka sahady, nangalatra môtô-n’olona tetsy Morarano Alarobia, omaly vao maraina. Mbola nahatratrarana basy kilalao sy fonosan-drongony moa tany aminy, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tsy mitsahatra tokoa moa ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena manatevina hatrany ny fisafoana andro aman’alina ireo elakelan-trano rehetra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, hoenti-miady amin’ity firongotry ny tsy fandriam-pahalemana. Tamin’ireny fisafoana ireny indrindra, izay nataon’ny teo anivon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo tetsy Analamahitsy, teny Morarano Alarobia, omaly tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any, no nahatsikaritra lehilahy iray somokotra dia somokotra, mikotrokotroka môtô teo amin’ny tokotanin’olona tsy mifefy iray. Somary nampiahiahy ihany ny fihetsik’ity ranamana ity ka nanatona avy hatrany ny pôlisy. Vantany vao hitany anefa ireto mpitandro filaminana dia niala tsimoramora teo amin’ilay kodiaran-droa ny lehilahy ary nitady lalana hitsoahana. Efa voahodidina anefa ka tsy afa-nikofoka akory dia voasambotra. Tamin’ny fisavàna, hoy ny loharanom-baovao azo tamin’ny pôlisy dia nahitàna basy kilalao sy rongony tany aminy. Tamin’io fotoana io ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ity farany ho amin’ny famotorana. Fantatra teo fa “jiolahy efa karohin’ny mpitandro ny filaminana izy. Ary efa mpanao io asa ratsiny io eny amin’iny faritra Analamahitsy sy ny manodidina, Andranomena ary Ambohibao. Marihina fa mpamaky trano gaigilahy ity lehilahy ity ary miaraka amin’ity basy kilalao ity hatrany no hanaovany izany ary tena mampihorohoro ireo izay tratrany izy”. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ity aza, araka ny vaovao azo hatrany, dia vao avy namita sazy tany am-ponja ny lehilahy ary efa indroa nisazy rahateo, noho izay asa ratsy nataony izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici