- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversGadra nitsoaka tany Toamasina : Saron’ny zandary tany Andapa Andodabe i Mainty

Gadra nitsoaka tany Toamasina : Saron’ny zandary tany Andapa Andodabe i Mainty

Tratran’ny zandarin’i Toamasina Ingahy Mainty, ilay gadra nandositra tao amin’ny fonjaben’i Toamasina sy tao amin’ny polisy nihazona azy tamin’ny fahatrarana azy voalohany. Tao amin’ny tanàna atao hoe Andapa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andodabe, distrikan’i Toamasina II, tapany avaratra iny no nahatrarana azy, izay hikasa hiazo an’ny Mangabe araka ny fanazavana azo.

Efa ny zoma 5 aogositra no nahare ny zandary fa ao anaty fiara hiazo ny tapany avaratr’i Toamasina iny Ingahy Mainty; efa azon’izy ireo hatramin’ny fiara misy azy mihintsy saingy vao tonga tao sampanana mihazo an’Ambalateza eo amin’ny tananan’Antaratasy samy ao amin’ny Toamasina II, dia niala tao anaty fiara taksibrosy ny tenany noho ny haihainy amin’ny sakana mety ahazo azy an-dalana, nanomboka teo dia Dian-tongotra no nataony nihazo an’Andodabe sy tao amin’ny Tanana Andapa ity. Vao nahare izany ny zandary dia nanetsika ny ekipa tao Mahavelona Foulpointe nanara-dia azy sy nanakarama olona mpanara-dia azy ihany koa. Raha ny fanazavan’ny zandary dia tokony tamin’ny 05ora maraina no saron’izy ireo natory tao an-tranon’olona nokaramaina hiazona azy hatory ny tenany tao Andapa io ka noraisim-potsiny. Tao anatin’izay anefa dia nitebiteby avokoa ireo Tanana nandalovany noho izy gadra nitsoaka, satria saika niala an-tanana avy ireo olona vao nahare ny fandalovan’ingahy “Mainty” tamin’ny tananan’izy ireo.

Avy hatrany dia nentina tao amin’ny tobin’ny zandary Mahavelona Foulpointe ny tenany ary nentina teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina niatrika ny tonia mpampanoa lalana. Tamin’izany avokoa no nivoahan’ny tsiambatelon’ny fitsoahany ny fonja sy ny fandosirany ny “cellule” ny polisy ary ny tsoahany an’i Toamasina nihazo an’Andodabe, saingy tsiambaratelon’ny fanadiadiana ilay izy ka tsy nambaran’ny tonia mpampanoa lalana tamin’ny mpanao gazety ny votoantony. Vao vita ny fakana am-bavany azy tao amin’ny fampanoavana io dia nalefa fiaran’ny mpandraharahan’ny fonja any Tsiafahy ingahy “Mainty” noho izy gadra nandositra sy gadra mety hitera-doza eto anivon’ny fonjaben’i Toamasina amin’ny fitsoahana manaraka indray. Araka ny fanazavan’ny zandary hatrany dia efa azon’izy ireo ny vaovao momba ireo gadra roa nitsoaka nitondra basy ankehitriny, ka miandry ny fisamborana azy fotsiny izy ireo.

Ankaotra izay dia nilaza koa ny zandary fa manomboka anio alatsinainy dia misy “opération speciale” ataon’izy ireo isam-pokontany sy ireo voalaza fa faritra mena, amin’ny fametrahana fandriampahalemana eto Toamasina manomboka izao, fa efa tena mampitaraina ny olona maro mihintsy ny asan-jiolahy eto Toamasina ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici