- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversRN35 :  Kamiao latsaka an-kady, olona roa maty tsy tra-drano

RN35 :  Kamiao latsaka an-kady, olona roa maty tsy tra-drano

Loza mahatsiravina no nitranga ny faran’ny herinandro teo tamin’ny lalam-pirenena faha-35, mampitohy an’Ambositra sy Morondava iny, teo amin’ny PK41+500. Fiarabe iray, nampiakatra entana no tra-doza tampoka, ka nilaozan’ny hisatra ary niafara tany an-kady, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antshakely, kaominina Ambondromisotra, distrikan’Ambatofinandrahana. Vokany, renim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany vavy no maty tsy tra-drano, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo nitranga ny loza, raha ny vaovao azo. Nandeha naka kitay teny an-toerana ity fiara ity, ary teo am-piaingana, rehefa vita ny fampiakarana entana no nitranga ny tsy nampoizina. Efa tafakatra tao anaty fiara ny tompon’ny entana sy ilay zanany vavy. Iny handeha hamelona ny fiara iny anefa ny mpamily, mba hiakaran’ny rivotra amin’ny hisatra no nihemotra tampoka ary tsy voatanan’ny tohana natao teo ambany kodiarana intsony izany. Marihina mantsy fa nipetraka tamin’ny toerana miakatra izany fiara izany. Nikodiadia araka izany ity farany ary namarana ny lalany tany anaty hantsana nony avy eo, niaraka tamin’ireo entana sy ireo olona tao anatiny. Potika tanteraka ilay fiara. Aina roa no nafoy, dia ilay tompon’entana sy ilay zanany. Voatery nosokirina tao anatin’ity fiarabe ity moa ny vatana mangatsiakan’izy mianaka ireto ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana fototra tao Antsahakely, mandra-piandry ny fianakavian’izy ireo haka izany. Marihina, hoy ny vaovao fa tsy naninona kosa tetsy andanin’izay ny mpamilin’ilay fiarabe sy ny mpanampy azy, izay voatery nentin’ireo zandary tany amin’ny birao natao andrimaso sy mba ho fiarovana ny ain’izy ireo. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina ity ka ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatofinandrahana no miandraikitra izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici