- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversANTSIRABE : Hanolotra fampisehoana maimaimpoana ny YZ’ART GOSPEL

ANTSIRABE : Hanolotra fampisehoana maimaimpoana ny YZ’ART GOSPEL

Nalaina avy amin’ny hoe Hizara, ny teny hoe Yz’art saingy amin’ny maha antoko mpihira azy dia novaina ny fomba fanoratra azy noho izy mivelatra amin’ny lafinj-javatra maro fa tsy ny fitoriana filazan-tsara an-kira fotsiny ihany. Isan’ny anto pisan’ny Yz’art Gospel ihany koa ny fanampiana ireny olona sahirana ireny.  Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Sabotsy 6 Aogositra teo tao amin’ny tranoben’ny kolontsaina ny Yz’art Gospel. Ny volana Mars 2021 no niforonany ary ny volana Novambra 2021 kosa no nitsanganana ara panjakana. Mahaleo teny ny Yz’art Gospel fa tsy niforona avy amin’ny antokom-pinoana, malalaka noho izany ny fidirana mpikambana araka ny nambaran’ny filohan’ny Yz’art Gospel Lantoniaina Rakotondrazafy raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Afka miditra mpikambana izay maniry hanatevin-daharana, satria maro ny hetsika azo ataon’ny tanora mba hialana amin’ny fidonanananam-poana. Hanolotra seho iray goavana maimaim-poana ho an’ny tanan’Antsirabe ny Yz’art Gospel ny faha 21 Aogositra ho avy izao manolona ny tsangam-bato, fampisehoana izay hanasa antoko mpihira hafa avy ao Antananarivo sy Toamasina. Manodidina ny 40 ireo mmpikambana ao amin’ny Yz’art amin’izao fotoana, ray mpiahin’izy ireo ny ben’ny tanan’Antsireba Dr Unoh.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici