- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversBekily : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Bekily : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Agnataky, kaominina Tanandava Sarisambo, distrika Bekily, ny faran’ny herinandro lasa teo. Dahalo am-polony, nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’io tanana io, ary lasan’izy ireo tamin’izany ny omby nahatratra teo amin’ny 21 isa teo. Taorian’io ihany moa, rehefa nahazo fampandrenesena ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Bekily dia nanantanteraka fanarahan-dia. Efa fantatra tamin’io fotoana io mantsy fa nandeha namonjy nianavaratra atsinanana ny lalan’ireo mpanafika. Nahetsika avokoa araka izany ireo zandary tamin’ny faritra manodidina.

Ora vitsy taorian’io dia nifankatratra tao amin’ny toerana antsoina hoe Vohitrakanga, fokontany Soakija, kaominina Vohimanga, distrika Bekily ny roa tonta, ny alahady vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Velona ny fifandonana. Nirefodrefotra ny basy. Ireo dahalo mantsy, raha vao nahita ireo mpanara-dia avy hatrany dia nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny an-tanan’izy ireo. Voatery niaro tena sy namaly tifitra ihany koa ireo zandary. Vokany, vaky nandositra avokoa ireo olon-dratsy rehefa hitan’izy ireo fa tsy ho resy tosika ireo mpanara-dia. Azo avokoa araka izany omby. Taorian’ny fitsirihana ny toerana no nahitàna fa nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny bala. Tsy fantatra mazava ny momba ity olon-dratsy ity, hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary saingy azo heverina kosa fa ho isan’ireo malaso nampitondra faisana iny faritra iny. Mbola nitohy moa taorian’io fotoana io, ny hazalambo sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tafatsoaka, araka ny vaovao azo hatrany.

Anisan’ny vokatra azo tsapain-tanana, vokatry ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tokoa ny tahak’izao. Rehefa voaantso ara-potoana ary miara-misalahy amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana mantsy ny rehetra dia ho mora foana ny misoroka na ny miady amin’izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici