- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFandrahonana : Hametraka fitoriana ny sefo fokontany Analamahitsy

Fandrahonana : Hametraka fitoriana ny sefo fokontany Analamahitsy

Tsy mbola misy fitoriana mipetraka aloha eny amin’ny fitsarana momba ny raharaha mampifanolana ny sefo fokontany Analamahitsy sy ny depiote Raholdina. Milaza ny mpisolovava ny sefo fokontany Analamahitsy Soloniana A. fa miandry ny fehiteny avy amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena manoloana ilay taratasy fitarainana napetrak’izy ireo teny Tsimbazaza, ka miankina amin’izay ny hametrahana ny fitoriana ary zo tanteraka izany. « Efa voarain’ny filohan’ny antenimiera ny fitarainanzareo miandry ny valiny avy amin’ny filohan’ny antenimierampirenena ka miandry fampihaonana ny roa tonta », hoy ny mpisolovava. « Tena nisy ny fanambanana basy sy antsy teo amin tendan’ny sefo fokontany ary hametraka fitoriana ny avy amin sefo fokontany noho ny herisetra sy noho ny halatra izay fitazomana findain’olona tsy ara-drariny », hoy ihany fananamafisana. Ny alarobia 3 aogositra lasa teo tao birao fandraisan’ny solombavambahoaka ny mpiaramiasa aminy no nitranga ity raharaha ity. Nisy ny fampitsaharana ny sefo fokontany tamin’ny asany. Voalaza fa tsy nisy olana teo aminy sy ny depiote saingy izao nivadika zavatra hafa izao. « Takianay ny hanatsaharana fandrahonana sy ny hamerenana ny finday. Mbola mitohy ny fandrahonana ataon’ny solombavambahoaka amin’izao fotoana izao. Hiroso amin’ny fitoriana ety anivon’ny fitsarana izahay… », hoy ny mpisolovava.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Vendredi joli

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici