- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversVAKINANKATRA : Vonona hisedra fasahiranana ny FIOVA

VAKINANKATRA : Vonona hisedra fasahiranana ny FIOVA

Hotanterahina ny faha 8 ka hatramin’ny 10 Septambra 2022 ny hetsika ara teo-karena lehibe fanaon’ny FIOVA  na Fivondron’ny Orinasan’ny Vakinankaratra « vitrine du vakinankaratra » andiany faha 24. Toy ny mahazatra dia manoloana ny gara ny hetsika, amin’ny alalan’ny varotra fampiratiana sy fampahafantarana orinasa misy eto Vakinankaratra, mpikambana anatin’ny FIOVA. Mandalo fasahiranana maro ny orinasa noho ny zava misy eto amin’ny tany sy ny firenena, isan’izany ny valan’aretina Covid 19 izay mbola tsy tapitra ankehitriny ka niteraka tsy fahafahan’ny olona sy ny entana mivezivezy ka tsy nafahan’ny orinasa miasa ara dalàna. Isan’ny olana ihany koa ny fiakaran’ny rano tany amin’ny faritra hafa kanefa dia nisy fianatrakany ho an’ny orinasa eto Vakinankaratra. Ankoatra izay ny fiakaran’ny vidim-piainana izay mampikaikaika ny maro ary miantraika mivantana any anatin’ny orinasa tsirairay, zary tsy mifantoka amin’ny asa ny mpiasa fa miasa saina amin’ny vidim-piainana, manginy fotsiny ny fiakaran’ny vidin’ny akora ampiasana. Fa ny tena mafy indrindra dia fiakaran’ny solika sy ny fahatapahatapahan’ny herinaratra. Na eo aza izany rehetra izany dia tsy miraviravy tanana ny FIOVA fa nanapa-kevitra ireo mpikambana ny hanatanteraka ny “ vitrine du vakinankaratra” anatin’izao fasahiranana lehibe izao hoy ny filohany Andrianjafy Ramarijaona nandritra ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety. Loahevitra norasina ny hoe ahoana no ampitoviana ny fomba fijery hanambarana ny ezaka rehetra hiadiavana amin’izao fasahiranana izao sy hiverenan’ny asa aman-draharahaamin’ny laoniny. Hisy rahateo  ny fakan-kevitra amin’ireo mpandraharaha sy mpiara miombon’antoka rehetra sy ny fanjakana hikarohana vahaolana hialana amin’izao fasahiranana izao sy hisian’ny fampandrosana izay fanamby lehibe napetraky ny FIOFA ho an’ity andiany faha 24 ity. Horesahana ihany koa ny fampiofanana sy fanatsara ny fomba fanao anatin’ny orinasa, izay hifantoka betsaka amin’ny fambolena sy fiompiana amin’ny sehatra isan-karazany, ny fanjakana rahateo efa tapakevitra fa hiroso amin’ny fambolena sy famokarana ary antenaina fa hisy ny vokatra tsara fa tsy toy ny mahazatra hoe maro ny tetikasa fa kely ny vokany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici