- Publicité -
vendredi 30 septembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFort Dauphin : Tompon’ny tobim-tsolika voatafika, roa lahy naratra, lasa ny vola

Fort Dauphin : Tompon’ny tobim-tsolika voatafika, roa lahy naratra, lasa ny vola

Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tao an-tampon-tananan’i Tolagnaro, ny alatsinainy lasa teo. Mpandraharaha iray, tompon’ny fivarotan-tsolika tao an-toerana no lasibatry ny asan-jiolahy. Lasan’ireto farany ny vola azon’ity tobin-tsolika ity tamin’io fotoana io, saingy ny ampahany ihany, raha ny fampitam-baovao azo, noho ny herim-pon’ireo mpiambina roa lahy, izay naratra mafy tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no tonga ireo olon-dratsy. Nisy dimy izy ireo, raha ny loharanom-baovao azo hatrany, ary nitondra fitaovam-piadiana. Ankevitry ny efa fantampatatr’ireo olon-dratsy ny fomba fanaon’ity mpandraharaha ity, izay mitondra ny vola matin’izy ireo mandritra ny andro mandeha mody. Tamin’io fotoana io mantsy dia efa nandrasan’ireo olon-dratsy kendry tohana, teo amin’ny lalan-tsara mihazo ny trano fonenan’ity renim-pianakaviana tompon’ny tobim-tsolika ity. Ary ireo vola rehetra tany aminy no nokasain’izy ireo nalaina. Niantso vonjy avy hatrany anefa ity farany ary tonga namonjy azy ireo mpiambina roa lahy teo amin’io toerana io. Nisy ny somary fifandonana kely teo amin’ny roa tonta ary naratra mafy vokatr’izay mihitsy aza ireto roa lahy ireto. Tataky ny antsy sy ny famaky teo amin’ny lohany. Tsy nahavita izay nokasain’izy ireo natao araka izany ireto olon-dratsy, kanefa na izany aza, raha ny voalaza dia nisy ampaham-bola, izay tsy fantatra isa, lasan’izy ireo tamin’izany. Taorian’ity fanafihana ity moa dia efa nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana, izay tonga teny an-toerana ary nanao hazalambo ireo mpanafika. Ireo mpiambina roa lahy naratra kosa dia efa nentina avy hatrany nihazo ny tobim-pahasalamana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny pôlisy any an-toerana moa no miandraikitra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici