- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimanarivo RN3 : Taolam-paty 20 kilao sarona, olona roa voasambotra

Ambohimanarivo RN3 : Taolam-paty 20 kilao sarona, olona roa voasambotra

Voatery nitifitra mihitsy ny zandary teo am-pisamborana ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto. Niezaka nanohitra izany fisamborana izany mantsy ity farany ary nifandrina tamin’ny zandary. Nahitam-bokany indray ny tagnamaron’ny fandriampahalemana. Vokatra azon’ny teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Imerina Central, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Ambohimanarivo RN3, rehefa nisy nampandre izy ireo mahakasika ny fisiana olona mampiahiahy teny an-toerana. Voalaza mpivarotra taolam-paty izy ireo ary mitady olona handray izay. Manoloana ny vaovao dia nandray andraikitra avy hatrany ireto mpitandro filaminana, nidina tany an-toerana, nanao ny fanadihadiana, hikarohana ireto mpibizina taolam-paty ireto. Taorian’ny angom-baovao isan-karazany dia fantatra izy ireo. Roalahy, monina eny Ambolo, kaominina Talata Volonondry. Voasambotra ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany ny roalahy, 25 sy 32 taona. Nilonjehitra gony mampiahiahy izy ireo, ka rehefa nosavaina izany dia nahitàna taolan-dava maromaro, nahatratra hatrany amin’ny 20 kilao tany ho any. Nandritra ny fisavàna ny tranon’izy ireo ihany koa dia nisy vato kristaly teo amin’ny 2 kilao teo, hita tao. Vato izay tsy nanan’izy ireo taratasy mazava, ary voalaza fa nalain’izy ireo tany amin’ny kariera iray tany Antanetibe Anativolo, distrika Anjozorobe. Marihana fa tsy nanaiky mora ny fisamborana azy ireto olon-dratsy ireto. Indrindra fa ilay iray 25 taona, izay niezaka nifanandrina tamin’ny zandary iray tonga nisambotra azy ireo. Ny haka ny basy poleta teny an-tanan’ity zandary ity moa tao an-tsainy, ka tsy maintsy nitifitra ireo mpisambotra mba hifehezana azy. Naratra teo amin’ny feny ity farany ary efa nentina notsaboina. Tsy misy atahorana ny ainy, hoy ny vaovao, ary efa mandeha ny famotorana azy roalahy ireto. Mpanera sy mpanelanelana fotsiny ry zalahy ireto, raha ny loharanom-baovao azo. Voalaza mantsy fa ny hitondra ireto “entana” ireto no asan’izy ireo izay tokony handraisany iray tapitrisa ariary ary hisy olona handray izany. Hatreto araka izany tsy fantatra mazava na avy aiza ireto taolam-paty ireto na avy aiza. Tsy nahenona trangana vaky fasana mantsy teny amin’ny manodidina tao anatin’izay fotoana izay. Tsy fantatra kosa hatreto hoe iza ilay “mpandray” na atao inona izany “entana” izany. Inoana fa tsy hijanona amin’izao fisamborana izao ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana fa hiroso lalindalina, ahafantarana ny amin’izay. Ity halatra taolam-paty ity tokoa mantsy dia mbola mijanona ho mistery hatramin’izao satria, tsy mbola nisy iray tamin’ireo tratra ny hoe mpividy sy mpandray ny entana. Saika tompon’entana sy mpanera avokoa ny ankamaroany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici