- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversBeroroha- Halatra solikan’ny Jirama : Sinoa sy Malagasy roa voasambotra

Beroroha- Halatra solikan’ny Jirama : Sinoa sy Malagasy roa voasambotra

Nisy ny halatra solika teo anivon’ny Jirama Beroroha, ny faran’ny herinandro teo. Nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny zandarimariam-pirenana tany an-toerana ny tompon’andraikitra ka niafara tamin’ny fisamborana olona telo. Terantany sinoa iray niaraka tamin’ny mpiray tsikombakomba taminy ary mpiasa teo anivon’ny Jirama iray ihany koa. Raha ny fampitam-baovao azo dia nahitàna fahabangana 495 litatra be izao ireo solika nitoby tao amin’ny fitoerany, tao amin’ny Jirama Beroroha. Rehefa nisy ny fikaroham-baovao nataon’ny teo anivon’ny tobim-paritra Beroroha, dia fantatra tamin’izany fa nisy nangalatra ireo solika ireo. Olona roa no voatonona sy voarohirohy tao anatin’izany, dia terantany sinoa iray sy malagasy iray. Tsy afaka nanatanteraka izany anefa ireto farany, raha tsy nisy ny firaisan’izy ireo tsikombakomba tamin’ny mpiasa tao ihany. Nosamborina avy hatrany ireto farany ny faran’ny herinandro teo, ary natao famotorana. Niaiky izany moa izy ireto, ary nanoro ny toerana nanafenan’izy ireo ny solika nangalarin’izy ireo izany nony farany. Tamin’ny fisavàna ity toerana ity no nahitàna ireo “bidon” feno solika, niisa teo amin’ny 20 isa teo. Nogiazana avy hatrany izy ireo ary naverina tamin’ny tompon’andraikitry ny Jirama tao an-toerana, taorian’ny fitanana an-tsoratra. Izy telolahy kosa, notanana natao andrimaso tao an-toerana ary hatolotra ny Fampanoavana ao Ankazoabo Atsimo, rehefa vita ny famotorana azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici