- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversBizina rongony mahery vaika : Afrikanina telolahy nosamborin’ny zandary

Bizina rongony mahery vaika : Afrikanina telolahy nosamborin’ny zandary

Tra-tehaka teny amin’iny faritra Andohatapenaka sy Ambodimita iny ny telolahy teratany vahiny, izay heverina fa anisan’ireo ao ambadiky ny fanaparitahana ireo rongony mahery vaika eto an-drenivohitra, afakomaly. Samy Afrikanina avy any Nigeria avokoa izy ireo, ary ny iray aza dia efa voaheloka sy tokony hamita sazy. Azo lazaina tokoa fa mandaitra ary mitondra vokatra hatrany ny Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Manoloana ny fiparitahan’ireo rongony mahery vaika, ny “heroine”, ny “métamphetamine” sy ny tariny ary ireo mpandray izany eto an-drenivohitra sy ny manodidina, dia tsy mitsahatra tokoa ny ady atao amin’izany eo anivon’ny zandary. Ny alarobia teo tokoa mantsy, taorian’ireo fanangonam-baovao azo nataon’ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tana Ville, dia voasambotra tetsy Andohatapenaka sy teny amin’iny faritra Ambodimita iny ny teratany afrikanina telolahy, voatondro ho isan’ireo mpanaparitaka rongony mahery vaika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tamin’ny fisamborana azy ireo dia mbola nahatratrarana “meth” teo amin’ny 15 grama teo, izay nokasain’izy ireo mbola hamidy, tany amin’ireto olon-dratsy ireto. Marihina fa ny iray tamin’ireto Afrikanina ireto dia efa mpamerin-keloka. Ary ny mahagaga sy ny mahavariana hatreto dia tokony mbola hamita sazy noho izay heloka nataony ity Afrikanina ity kanefa dia izao niriaria sy mbola tra-tehaka izao. Raha ny loharanom-baovao azo tokoa mantsy dia efa voaheloka noho izay resaka fanaparitahana rongony mahery vaika izay ny lehilahy ary tokony hanao asa an-terivozona dimy taona, hatramin’ny taona 2026, araka ny antontan-taratasy laharana faha-08/CCO/PAC/TANA/2021 ny 22 jona 2022 teo. Izany hoe, misy zavatra tsy milamina any ho any… Azo lazaina fa dingana lehibe indray ity vitan’ny zandary ity, raha amin’ny lafiny ady amin’ny fiparitahana sy fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Milaza miara-mahita tokoa mantsy isika fa tsy tranga efa teto izy io fa tsy maintsy nisy nitondra avy any ivelany. Izany hoe tsy maintsy teratany vahiny no tao ambadika. Hatreto anefa, azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo voasambotra. Saika ireo mpibizina madinidinika aty ambany foana mantsy no tra-tehaka sy iharan’ny sazy. Ary na dia efa misy aza ny nanaiky sy nilaza aza ireto farany fa teratany vahiny tatsy na taroa no mpanome azy ireo ireto rongony mahery vaika ireto dia nijanona hatreo amin’izy ireo ihany ny famotorana nataon’ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici