- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversFanolanana zaza tsy ampy taona : Nosamborina ny rainy sy ireo zanany telolahy

Fanolanana zaza tsy ampy taona : Nosamborina ny rainy sy ireo zanany telolahy

Ny nataon’ny rainy ihany no naverin’ny zanany, satria tsara mpampianatra izy ireo, saingy mpampiana-dratsy. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia raim-pianakaviana iray 55 taona no nosamborina niaraka tamin’ny zanany telo lahy, noho ny resaka fanolanana zaza tsy ampy taona. Eny, nifandiambiasan’izy efa-mianaka ireto, nanamparan’izy ireo ny filan-dratsy ny ankizivavy kely vao 14 taona, tao Sengalaoka, distrikan’Ambilobe. Potika tanteraka ity zazavavy tsy manan-tsiny ary ny loza dia nitondra vohoka tamin’izany fanolanana nihatra taminy izany izy, raha ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny pôlisy. Tamin’ny fotoana nitrangan’io tokoa mantsy dia nohararaotin’izy efa-mianaka ny tsy nahateo ny nenitoan’ilay niharam-boina, nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny tamin’ilay zazavavy. “Niditra tsirairay nanao ny asa ratsiny izy ireo, ilay raim-pianakavina 55 taona no nanomboka azy, avy eo ireo zanany telo lahy 25 taona, 23 taona ary 19 taona”. Nisy ny fitarainana nataon’ity ankizivavy ity tamin’ilay nenitoany. “Nefa tsy sahy nanao na inona na inona ity nenitoany ity noho ny tahotra mafy sy fandrahonana avy amin’ilay raim-pianakavina. Tsy nipetra-potsiny ny manodidina rehefa naheno ity zava-niseho ity ka niantso avy hatrany ny polisy miasa any an-toerana ,ka nandray andraikiny avy hatrany izy ireo nisambotra ireo tsivalahara ireto sy nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity”, hoy hatrany ny vaovao. Omaly no vita ny fakàna am-bavany azy ireo ary ny nanolorana teny anivon’ny Fampanoavana. Tsara marihana tokoa fa heloka bevava ny fanolanana ary enjehin’ny lalàna velona eto amintsika, araka ny voarakitra ao amin’ny andininy faha-332 sy 333, ao amin’ny andinin-dalàna famaizana eto amintsika. Misy ny sazy henjana miandry ireo tompon’antoka amin’izany. Tsy misy tokony hatahorana mihitsy araka izany ny mitoroka ny zava-misy eny anivon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny fokontany na ireo vondron’olona ifotony, na avy hatrany dia eny anivon’ny mpitandro filaminana raha misy ny fahitàna tranga tahaka izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici