- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversRaharaha Tia Shop : Teratany sinoa iray karohina fatratra

Raharaha Tia Shop : Teratany sinoa iray karohina fatratra

Niakatra fitsarana ny voalana jolay teo ny raharaha mampifanolana teratany sinoa sy malagasy amin’ny tranombarotra Tia Shop eo Analakely sy Tsaralalana. Nahazo rariny ireo Malagasy izay nahitana ny tompontrano sy ny mpiara-miasa aminy, ka namoahan’ny fitsarana didy fampidirana am-ponja ilay Sinoa antsoina hoe Gu Feng. Ity farany izay tsy niatrika ny fitsarana ka tsy nisy ny fisamborana avy hatrany, fa nisy kosa ny didy fampikarohana azy. Tsy hita ity Sinoa ity nanomboka teo hatramin’ny omaly izay nanatanterahan’ny vadintany fampilazana tamin’ireo mpivarotra ao amin’ny Tia Shop fa mitsahatra aloha ny fandoavana hofantrano amin’ilay Sinoa io mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana vaovao. Nisy araka izany ny fidinan’ny vadintany teny an-toerana omaly nanao izay fampahafantarana izay. Voalaza tokoa mantsy fa tratra avokoa ny hosoka nataon’io Sinoa io tamin’ny taratasy fahazoany mandova ny Sinoa iray namoy ny ainy ny taona 2020 izay nifanaraka tamin’ny tompon-trano sy ny mpivarotra hatramin’izay. Taratasy hosoka izay niainga avy any Sina nampiasana teto amintsika. « Rehefa nanao ny fanadihadiana sy ny fanamarinana rehetra izahay dia hita fa hosoka ny taratasy avy any Sina izay milaza fa nanome ny fahefana an’io Sinoa io. Voaporofo daholo izany  rehetra izany ka rehefa niakatra fitsarana ny raharaha ny volana jolay teo, dia nandresy ny tompon-trano », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpanatanteraka didy. Miandry ny fanatanterahana ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja ilay Sinoa ny rehetra izany. «Manahy kolikoly izahay satria lava tanana tanteraka ity Sinoa ity, ary anisan’ny mahatafaporitsaka azy izao. Nitohy hatrany mantsy ny fandraisany hofantrano na teo aza ny didim-pitsarana sns », hoy ny fanazavana. Araka izany, mitsahatra ny fandoavana hofantrano amin’ilay Sinoa mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana vaovao, izay tsy ho ela.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Guide du week-end

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici