- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAntohomadinika Atsimo : Mpanendaka mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Antohomadinika Atsimo : Mpanendaka mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Tsy mifidy asiana ity olon-dratsy ity, na kely na lehibe, na antitra na tanora, na vehivavy na lehilahy, fa dia samy mitondra faisana avokoa. Tsy vitan’izay fa raha mikasa ny hanohitra azy, dia efa miainga ny fandrahonana sy ny fampihorohorona isan-karazany. Efa maro ireo lasibatra ary efa tena ikoizana tanteraka amin’izany asa ratsy fanendahana izany ny lehilahy, ary efa betsaka ireo fitairanana tonga teny amin’ny pôlisy. Teny amin’iny faritra Antohomadinika atsimo iny izy no tra-tehaky ny pôlisy, taorian’ny fitsirihana sy ny fikarohana azy, afak’omaly. “Teo akaikin’ny tetezana pneu Ramandraibe Isotry rehefa hikasa hanedaka lehilahy iray”. Mbola nikasa ny hitsoaka anefa ranamana tamin’izay fotoana izay fa soa ihany, tsy nitazam-potsiny intsony ireo fokonolona, izay efa leo tanteraka ny fampihorohorona nataon’ity mpanendaka ity. Niara-nisalahy tamin’ireo pôlisy ka voasambotra ihany ity lehilahy ity nony farany. Tamin’io ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ingahirainy, hanaovana famotorana. Efa nametraka fitoriana rahateo ilay niharam-boina tamin’io fotoana io, hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici