- Publicité -
dimanche 25 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpandraharaha voarasarasa antsy, lasa ny vola telo tapitrisa ariary

Ambatondrazaka : Mpandraharaha voarasarasa antsy, lasa ny vola telo tapitrisa ariary

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo, mpanangom-bokatra iray tao Manampisoa, kaominina Andromba, distrikan’Ambatondrazaka, no notafihin’ny andian’olona tao an-tokantranony. Vokany, naratra mafy, voatetika antsy ny raim-pianakaviana, ary lasan’ireto mpanafika ny vola an-tapitrisany, manodidina ny telo tapitrisa ariary teo ho eo.

Araka ny fampitam-baovao azo dia ankevitry ny efa fantatr’ireto olon-dratsy ny fisiana vola tao an-tranon’ireto farany. Izy ireo rahateo efa fantatry ny olona any an-toerana fa mpanangom-bokatra ao an-tsenan’Imerimandroso. Vantany vao tafiditra ny trano mantsy ireto olon-dratsy dia ny vola avy hatrany no notakian’izy ireo, tamin’ireo tompon-trano. Nandà hatramin’ny farany ny fisian’io vola io anefa ireto tao an-trano na dia teo aza ny fandrahonana nataon’ireto mpanafika. Ireto farany ihany koa, izay tsy nisaron-tava velively sady tsy nitondra fitaovam-piadiana taza-maso ihany koa. Hany ka niezaka nanohitra tamin’ny zava-maranitra tao an-tranony ny tompon-trano. Indrisy anefa, sendra ny be noho ny vitsy ilay raim-pianakaviana, ka navadik’ireto mpanafika tany aminy, ny antsy, nentiny nanoherana ireto mpanafika. Tamin’izay no norasarasain’izy ireo tamin’ilay zava-maranitra rangahy. Nandriaka ny rà. Izay toe-javatra izay no nampilefitra an’ilay renim-pianakaviana sy nanomezany azy ireo izay zavatra notadiaviny. Nitsoaka avy hatrany moa ireto farany, taorian’izay ary nentin’izy ireo nanaraka azy ny finday roa tao an-trano. Novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ity raim-pianakaviana naratra, ary noezahina nampandrenesina ny zandary. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nanao ny fikarohana sy ny hazalambo ireto mpanafika ireto farany. Mbola mitohy hatrany izany any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici