- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversKolikoly teo anivon’ny kaominina Toamasina : Voaantso ho eny amin’ny PAC Ratsiraka Elysé...

Kolikoly teo anivon’ny kaominina Toamasina : Voaantso ho eny amin’ny PAC Ratsiraka Elysé sy namany dimy

Ny herinandro nivalona teo dia tonga teo anivon’ny kaominina Toamasina ny Birao mahalaotena miady amin’ny kolikoly, ny antony dia ny fiantsoana natao an’ireo ben’ny tanàna teo aloha Atoa Ratsiraka Elysé, sy ny mpiara-miasa aminy Atoa Ratelolahy Aurélien talen’ny drafi-pandaminana ny tanàna teo aloha sy ireo mpiasa efatra hafa tompon’andraikitra. Raha ny fanazavana azo dia ilain’ny eo anivon’ny PAC any Antananarivo izy enina teo anivon’ny kaominin’i Toamasina teo aloha ny 12 septambra hatramin’ny 16 septambra ho avy izao. Misy mantsy fanadiahadiana miandry azy enina ireo mandritra izany izay nitranga ny taona 2015-2020, ka tafiditra amin’izany ny fivarotana tany sy tranon’ny kaominina tamin’ny fomba tsy ara-dalana, ny fitaovan’ny vondron’ny mpamono afon’ny kaominina, ary ilay « Ivoire » fanomezana olona ka lasa harem-pirenena ihany koa. Raha niverenana ny tantara dia efa tafiditra tamin’ny lahadinikin’ny fivorian’ny filankevitry ny tanana ara-potoana faharoa, natao ny 19 oktobra hatramin’ny 5 novambra ny taona 2021, ny fandinihana momba ny tany sy tranon’ny kaominina namidin’ny fitondrana Ratsiraka Elysé sy ny ekipany, ka nandritra izany dia niisa 144 be izao ireo tany sy tany namidy tsy ara-dalana ireo. Vokatra izany dia lany tsy nisy nitsipaka izany ka haverina amin’ny kaominina avokoa aloha izany, nefa izao tonga amin’ny fampiantsoana ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny namany dimy hafa eo anivon’ny PAC ao Antananarivo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici