- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversRary Aro Mada ny UNESCO : Natao sonia ny “komitin’ny fahalemana”…

Rary Aro Mada ny UNESCO : Natao sonia ny “komitin’ny fahalemana”…

Natao tao amin’ny Miou-Miou club ny fihaonamben’ny, tanora – fiarahamonim-pirenana misahana ny zon’olombelona – ny zandary sy ny polisy – ary ny mpanao gazety, misahana ny fandriampahalemana, nandritra ny roa andro nanomboka ny alatsinainy teo. Ny UNESCO no nikarakara izany tao anatin’ny fandaharana’asa Rary Aro Mada izay manana tanjona “Tanora mijoro andrin’ny zo sy ny fahalemana”; izay iarahany amin’ny tahiry ny firenena mikambana momba fanamafisana ny fahalemana. Vokatra izany dia nisy ny fanaovan-tsonia momba ny komitin’ny fahalemana niarahan’ny Prefen’i Toamasina sy ny solontenan’ny Unesco eto Madagasikara ary ny fiaramonim-pirenena misahana ny zon’olombelona. Nandritra izany no nilazan’ny prefen’i Toamasina fa “Tanana milamina na andro na alina i Toamasina, satria tsy ahitana vono olona eto”. Nanambara Rtoa Rakotoson Julie avy amin’ny Unesco nandritra izany fa manana andraikitra goavana ao anatin’izany ny tanora Malagasy sy ny fiarahamonim-pirenena Malagasy amin’ny fanatontosana izany. Ankoatra izany dia manana asa goavana ny “komitin’ny fahalemana” io satria izy ireo no miara-miasa “observatoire de droit de l’homme” izay misahana ny fanangonana ny tranga tsy fanajana ny zon’olombelona. Isan’io tranga mateti-pitranga io raha ny fanazavana, dia ny resaka ady tany – ny kolikoly mpitranga eo amin’ny sehatra asam-panjakana – ary ny herisetra mpitranga amin’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny miralenta. Ny asa ataon’ny “observatoire de droit de l’homme” ao anatin’izany tsy fanangonana ireo tsy fanajana ny zon’olombelona fotsiny, fa miditra amin’ny fanadiadiana lalina ny zava-misy izy ireo ary manao ny tatitra izany eo amin’ny sehatra nasionaly aorian’izany fanadiadiana lalina natao rehetra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici