- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAndohatapenaka sy Antohomadinika : Mpanendaka 12 vosambotry ny polisy

Andohatapenaka sy Antohomadinika : Mpanendaka 12 vosambotry ny polisy

Ny alin’ny zoma lasa teo, nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito teny amin’ireo faritra efa malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Teny amin’iny faritra Antohomadinika sy Andohatapenaka izy ireo no nanao be midina. Efa diso maro loatra mantsy ireo fitarainana azon’izy ireo, ny amin’ny ataon’ireo tontakely mampitondra faisana ireo mponina sy ireo mpandalo. Nisy ny fiaraha-miasa nataon’ireto mpitandro filaminana ireto tamin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany, nahafahana namantatra ireo tontakely miriaria eny amin’ny fiarahamonina eny. Nahatratra hatrany amin’ny 12 araka izany ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy voasambotra tamin’io alin’ny zoma io. Sarona tany amin’izy ireo ny zava-manaritra sy ny fitaovam-piadiana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny kaomisaria ireto tontakely ireto, natao andrimaso ho amin’ny famotorana, mandram-piandry ny fotoana hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana. Raha hita fa somary nirongatra ny resaka tsy fandriampahalemana tato ho ato teto an-drenivohitra dia somary nanova paik’ady kely indray ny teo anivon’ny polisy, entina misambotra ireo tontakely. Hiaraha-mahalala tokoa mantsy fa tsy aiza tsy akory ireny olon-dratsy ireny fa miafina eny anivon’ny fiarahamonina eny ihany. Fiaraha-miasa matotra tahak’izao amin’ireo vondron’olona eny ifotony, toy ireny vaomieran’ny fandriampahalemana ireny ihany araka izany no mety ahazoana vokatra tsara sy ahafahana misambotra ireo tontakely. Marihana araka ny loharanom-baovao azo fa mitohy tsy an-kijanona ity hetsika manokana ataon’ny polisy ity eto an-drenivohitra.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici