- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAnjozorobe : Avotra ireo olona roa nalain’ny dahalo an-keriny

Anjozorobe : Avotra ireo olona roa nalain’ny dahalo an-keriny

Tovovavy iray sy ny sakaizany no nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny tanana iray ao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, tany amin’iny distrikan’Anjozorobe, ny herinandro lasa teo. Nitaky volabe tamin’ireo fianakaviany ireo olon-dratsy raha tsy izany dia hotaperin’izy ireo ny ain’ireto olona anankiroa teo am-pelan-tanan’izy ireo ireto. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary.

Nandritra izay andro vitsy izay dia nampihatra tanteraka ny fahaiza-manaony ireo mpitandro filaminana, notarihin’ireo lefitry ny kaomandy avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry zandary Imerina Central, ny amin’ny fikarohana sy ny fanavotana ireto olona nalain’ny dahalo takalon’aina ireto. Taorian’ireo karazana fanadihadiana lalina sy ny fitsikilovana ireo laharana fampiasan’ireto olon-dratsy, hifandraisany sy handrahonany ny fianakavian’ireto olona nalaina an-keriny, dia efa fantatra ny toerana nisy ireto tsy valahara, tao Amparihibe, fokontany Ambaiboka, kaominina Andranomisa. Tsy maintsy nisy ny paik’ady napetraka isan-karazany satria, hiaraha-mahalala fa raha vao tsikaritr’ireo olon-dratsy fotsiny ny fisian’ireo mpitandro filaminana dia azo inoana fa tsy maintsy novonoin’izy ireo, tsy nananany antra ireo olona teo am-pelan-tanany.

Marihana fa volabe an-tapitrisany maro no nangatahan’ireto jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy roa ireto. Ain’olona anankiroa be izao araka izany no tsy maintsy avotana. Ny alin’ny alatsinainy teo, efa nohodidinina ny faritra nisy ireo olon-dratsy. Ary tsy namelan’ireto zandary tsara hofana izany raha tsy azo ireo olona notazomin’ireo jiolahy an-keriny, omaly hariva tokony ho tamin’ny enina tany ho any. Avotra soa aman-tsara ireto farany, velon’aina sy tsy nisy nanombinana na dia iray aza. Efa izay aloha ny zava-dehibe, kanefa ny olon-dratsy tsy azo avela hiriaria. Mbola mandeha ny hazalambo any an-toerana. Efa nisy olona iray, voalaza fa ati-doha nikotrika izao fakàna an-keriny izao, voasambotra ary efa natao andrimaso.

Toerana isan’ny mamay tanteraka tamin’ny resaka fakàna an-keriny raha tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Tsy nisy tsy nahalala izany. Saika isan’andro dia nahenoana foana tranga tatsy na taroa. Herintaona anefa izay, nangina tanteraka ny tany. Mety nisy ihany tsindraindray saingy na nandamoka tanteraka na maty voatifitra izay jiolahy sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana. Izany moa dia noho ny fahaiza-manao sy ny paik’ady manokana nentin’ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandary Imerina Central, ny kapiteny Andriambeloniana Toky.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Lu pour vous

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici