- Publicité -
dimanche 25 septembre 2022
DomicileFaits-DiversBefandriana Avaratra : Rongony an-jatony kilao saron’ny zandary

Befandriana Avaratra : Rongony an-jatony kilao saron’ny zandary

Ankoatry ny ady amin’ny resaka tsy fandriampahalemana dia anisan’ny ady iray himasoan’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena ihany koa ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony, izay fanetriben’ny firenena no anisan’ny fositra mahatonga ny fandikan-dalàna ihany koa. Omaly araka ny fampitam-baovao azo dia rongony maina enina gony, efa vita fantina sy vonona ny haparitaka no saron’ny zandary tao Ambalakirajy, kaominina Morafeno, distrika Befandriana Avaratra. Taorian’ny angom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana mantsy, ny amin’ny fisiana olona mitatitra entana mampiahiahy tany an-toerana dia nataon’ireo zandary avy tao amin’ny tobim-paritra Befandriana Avaratra avy hatrany ny fisafoana sy ny fiambenana ireo lalana rehetra mety hizoran’izany olona izany. Teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io no nifanehatra tamina fitolahy, nilonjehitra gony miisa enina ireo zandary. Vantany vao nahatazana ireto farany kosa ireo fitolahy, avy hatrany dia nanao tari-dositra nitsoaka ary namela ny entan’izy ireo teo. Tamin’ny fisavàna ireto gony navelan’ireo olona nitsoaka no nahitàna fa rongony maina efa vita fatotra maromaro no tao anatiny. Nilanja teo amin’ny 150 kilao teo ny tontalin’izany, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Nentina nogiazana avy hatrany moa izany zava-mahadomelina izany. Taorian’ny fampandrenesana ireo tompon’andraikitra mahefa rehetra tany an-toerana dia nodorana, teo imason’ireo manam-pahefana ihany ireto rongony ireto, omaly tolakandro. Mbola mandeha kosa ny fanadihadiana, hikarohana ireo olona tafatsoaka any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici