- Publicité -
dimanche 25 septembre 2022
DomicileFaits-DiversTETIKASA OBS MADA :  Mitily ny tranga-piaraha monina mampiahiahy

TETIKASA OBS MADA :  Mitily ny tranga-piaraha monina mampiahiahy

Isan’ny distrika iray hitrangana tranga-piaraha monina mampiahahy mety hiteraka korontana ny distraka Betafo, antony iray nisafidianana ny distrika Betafo hiasan’ny OBS Mada izany. Azo lazaina fa ambony ny tahan’ity tranga mpiseho eny anivon’ny fiaraha monina ity ao Betafo ary tsy mitsaha mitombo. Voaresaka matetika amin’izany ny resaka fanolanana zaza amam-bahivavy. Raha tsiahivina dia tranga vao haingana niseho ny fanolanana zaza mena vava vao 7 volana monja naholana tovolahy kely 15 taona nefa dia novitaina tamina resaka raharaham-pihavanana. Antony iray hijoroan’ny OBS Mada ny mitily sy manao tatitra mahakasika ireny tranga ireny mba tsy hitarany ka hiteraka disadida sy korontana eny amin’ny fiaraha-monina. Tanora maro tsara hofana no alefan’ny tetikasa eny ifotony mitily ireny tranga ireny, ireto farany avy eo no manao tatitra any amin’ny foibe, hiarahana amin’ny tompon’andraikitra-panjakana ambony, ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny ministeran’ny mponina kosa ny fitadiavana vahaolana hoy Rtoa Fenofitondrana Rakotozanakajy mpandrindra ny tetikasa eto Antsirabe nandritra ny hai-taky na  “plaidoyer” natao tany Betafo ny faran’ny herinandro lasa teo. Tanjon’ity hai-taky ity moa ny fampihenana sy fanafoanana ny trangam-panolanana mihatra amina zaza amam-behivavy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici