- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversFaritra Analanjirofo : Hiaraha-hiasa akaiky amin’ny faritra Casablanca any Maroc

Faritra Analanjirofo : Hiaraha-hiasa akaiky amin’ny faritra Casablanca any Maroc

Tombony ho amin’ny faritra Analanjirofo, ny fandraisan’Atoa Governora
anjara tany amin’ity Fihaonambe iraisam-pirenenan’ny faritra eto Afrika,
natao tany Maroc ity.

Voan-dalana goavana no nentin’Atoa Governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randrimanantena Marcellin, taorian’ny iraka nampanaovana azy sy ireo governora telo niaraka taminy, namonjy ny

Fihaonambe iraisam-pirenena hihaonan’ny faritra aty Afrika na ny Foraf 2022, izay natao tany  Saidia, Oudja, Maroc, ny herinandro lasa teo. Hetsika izay teo ambany fitarihan’ny firenena maraokanina,  ny Mpanjaka Mohamed VI niaraka tamin’ireo Komity iombonan’ny Faritra mpikambana aty Afrika na CGLU.  Goavana tokoa satria tontosa soa aman-tsara ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny faritra roa tonta, ny faritra Analanjirofo, Madagasikara sy ny faritra Casablanca any Maroc. Faritra soa samihafa ireo, sarahan’ny kolotsaina sy ny elanelan-tany kanefa samy maneho ny fahavononany ny hifandray sy ny hifanampy ho amin’ny lafin’ny fampandrosoana. Tapaka tao anatin’izany fa hosokafana, manomboka amin’ity taona ity ihany, ny fifanakalozana ara-ekonomika sy ara-barotra, satria hiahara-mahalala fa isan’ireo faritra manankarena voly fanondrana raha Analanjirofo. Eo ihany koa ny fifanomezan-tanana amin’ireo fotodrafitrasa iombonana ilain’ny vahoaka aty an-toerana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia hisy ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo tanora zanaky ny faritra, liana handranto fiarana amin’ny ambaratonga ambony. Nankasitraka ny Filoham-pirenena moa Atoa Governora, nisafidy ny faritra Analanjirofo ho isan’ireo faritra nandray anjara tamin’izany fihaonambe iraisam-pirenena izany. Ny tanjona tsinona dia tsotra, ny hampandroso ny faritra Analanjirofo ary hanatratra ireo Velirano 13, napetraky ny Filoham-pirenana. “Ho resentsika amin’ny asa foana ireo fanaratsiana etsy eroa (…) Tsy vitsy ny efa vita ary maro ny andalam-pahavitana”  hoy izy, namaly ihany koa ireo tsikera maro etsy sy eroa.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici