- Publicité -
dimanche 25 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAndohanimandroseza : Mpangalatra kiraro voasambotry ny fokonolona

Andohanimandroseza : Mpangalatra kiraro voasambotry ny fokonolona

Azo lazaina fa efa tofoka ny amin’ny ataon’ireto tontakely tokoa ny olona, raha ity tranga tetsy Andohanimandroseza ity. Tovolahy iray, tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana kiraro mantsy no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, raha tsy tonga haingana ireo pôlisy. Na izany aza, efa mangana noho ny daroka sy vono madinidinika ihany ingahirainy. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva, ny andron’ny alakamisy teo no nahazo antso ny pôlisy mahakasika ny fisiana mpangalatra voasambotry ny fokonolona teny amin’io toerana voalaza io. Tamin’io fotoana io ihany dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa misahana izany faritra izany, nijery ny zava-nisy sy nisoroka izay mety ho fitsaram-bahoaka mety hahazo ity olon-dratsy ity. Raha ny fanazavana azo tokoa mantsy, dia efa nisy nahatsikaritra ny fihetsik’ity tovolahy 23 taona ity, izay nihaodihaody manodidina ny tokantrano iray teny an-toerana.  Nisy kiraro anankiroa nipetraka teo an-tokontany fa nojaikon-dranamana tsimoramora. Ny tsy fantany anefa dia niandry azy fotsiny ireo fokonolona marobe. Raikitra ny fifanenjehana azy ary tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Soa ihany araka izany fa mbola teo ireo mpitandro filaminana, nitondra azy avy hatrany niala teo, namonjy ny birao ho amin’ny famotorana.

Ilaina dia ilaina tokoa ny firaisankinan’ny mponina tahak’izao, entina miady amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Tiana hatrany anefa ny mampatsiahy fa melohin’ny lalàna velona eto amintsika ny fitsaram-bahoaka ary tsy mety ny miroso amin’izany na inona na inona antony. Ny tsara hatrany dia mampandre ny mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici