- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversFari-piadidian’ny zandary Antananarivo : Fisafoana tsy miato, entina misoroka ireo trangana tsy fandriampahalemana

Fari-piadidian’ny zandary Antananarivo : Fisafoana tsy miato, entina misoroka ireo trangana tsy fandriampahalemana

Nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary, ato anatin’ny fari-piadidiana Antananarivo, izay notarihan’ny kaomandiny, ny Kly Jocelyn Randrianarijaona, ny alakamisy alina teo, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mpiara-miasa aminy. Nijery sy nanara-maso ny firindran’ny asa eny an-kianja tamin’ny paik’ady manokana nentin’izy ireo hisorohana ireo asa ratsy niha-nahazo vahana teto an-drenivohitra izany. « Asan’ny zandary ary adidin’izy ireo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany. Noho izay indrindra dia tsy manatanteraka fisafoana isan’andro sy isak’alina ireo zandary amin’ny faritra izay hiadidian’izy ireo. Hiaraha-mahalala anefa haben’ny toerana, izay tsy ary voasahan’ny zandary irery ao anatin’ny indray alina, ka izay indrindra no hiarahana miasa amin’ny fokonolona amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny Tagnamaron’ny Fandriampahalemana » hoy ity manamboninahitra ambony ity. Tafapaka tokoa izay fanentanana izay, raha ny hita teny amin’iny faritra Alasora sy Ampitatafika, izay notsidihana iny. Miara-mientana ireo andriamasom-pokonolona, manampy ireo zandary, amin’ny fisorohana izay asa ratsy izay. Ary hita fa tena nisy vokany izany, araka ny nambaran’ireo lehiben’ny fokontany sy olom-boafidy tojo anay teny an-toerana. Marihana moa fa tao anatin’ireo fisafoana nataon’ny zandary izay no nahafahana nisoroka fanafihana mitam-piadiana ary nahavoatifitra ireo olon-dratsy efatra tetsy Faliarivo Ampitatafika, ny alin’ny alarobia teo. « Tsy mitsahatra ny manentana izahay, mizara laharana ahafahan’ireo olom-pirenena miantso ny zandary, raha misy tranga mampiahiahy». Ankoatry ny laharana maitso 119 dia azo antsoina ihany koa ny 0340570070 na 0341400651, ho an’ny eto Antananarivo renivohitra. 

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici