- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversMe Tahiana Rakotondravony : Mila fitoniana ireo mpivarotra ary andrasana ny didim-pitsarana

Me Tahiana Rakotondravony : Mila fitoniana ireo mpivarotra ary andrasana ny didim-pitsarana

Nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy, ny Me Tahiana Rakotondravony, ilay Sinoa mifanolana amin’ilay raharaha tranombarotra eny Analakely sy Tsaralalana. « Mila fitoniana sy fahatokisana ireo mpivarotra rehetra izay efa tsy manaiky intsony ny karazam-panakorontanana amin’ny asa fiveloman’izy ireo amin’izao andro sarotra sy fidiran’ny mpianatra izao. Ho an’ny tombotsoan’izy ireo no hitenenana ankehitriny », hoy ny fanazavan’ny Me Tahiana Rakotondravony teo anoloan’ny mpanao gazety. Nilaza izy fa misy ny « contrat de bail » nifanaovan’ny tompontrano sy ny mpampisa ny tranombarotra ankehitriny ary mbola manankery izany, ary mbola tsy nisy ny didim-pitsarana nanafoana izany. «Ny olona arovanay no nahazo ny fahazoan-dalana sy manana fahefana amin’ny fitantanana ny tranombarotra sy ny fampandehan-draharaha rehetra ary nohamafisin’ny didim-pitsarana izany », hoy ny Me Tahiana ihany. Nanamafy ny mpisolovava fa manaja ny rafitra rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana malagasy izy ireo ary mitazona ny fahatokisany ny fitsarana. «Am-pahendrena tanteraka ny iandrasanay ny fanampahana ireo raharaha rehetra mahakasika ireo tranombarotra. Tsy hampiseho korontana izahay, toy ny ataon’ny andaniny ary rariny tokoa raha tsy makasitraka izany ireo mpivarotra izay mbola nanamafy ny fiaraha-miasa misy. Tompon’andraikitra amin’ny fambolena korontana amin’ny fanambarana izany ny mpanao fanambarana sy izay rehetra mampirisika azy sy ny ao andamosiny na teratany na vahiny », hoy ny fanambarana. Samy miandry ny didim-pitsarana ny rehetra manoloana izany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici