- Publicité -
samedi 1 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFonjan’i Fenerivo Atsinanana : Gaboraraka, niakatra CODIS ny lehiben’ny fonja

Fonjan’i Fenerivo Atsinanana : Gaboraraka, niakatra CODIS ny lehiben’ny fonja

Araka ny loharanom-baovao maripototra avy amin’ny ministeran’ny fitsarana, hiakatra CODIS eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ingahy Ralefy Jacquelin lehiben’ny fonja Fenerivo atsinanana. Ity fiakarana CODIS ity dia araka ny fiantsoana noraketina an-tsoratra mitondra ny laharana 102-MJ/SG/DGAP/DAP/SPP sy laharana 014-MJ/SG/DGAP/CODIS ary ny laharana 073-MJ/SG/DGAP/DAP/SPP izay efa natao sonia ny volana jona 2022 avokoa izy ireo, saingy amin’izao volana septambra izao fa tanterahana avokoa izany. Raha araka ny vaovao hatrany dia ny zoma 16 septambra teo no fantatra nohenoina teo anivon’ny sampana misahana ny fanajana ny fitsipi-pitondrantena eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ity lehiben’ny fonja ao Fenerivo atsinanana ity. Araka vaovao tsiliantsofina re dia tsy nahafaly ny minisitry ny fitsarana ny fahenoana ny fitsoahana voafonja roa tao amin’ny fonjaben’i Fenerivo atsinanana ny volana aogositra ny taona lasa teo iny. Ankoatra izay dia antony maromaro no nahatonga an’ingahy Ralefa Jacquelin lehiben’ny fonja niakatra CODIS izao, ka isan’izany ny fanaovana kolikoly amin’ny alalan’ny famelana ireo voafonja mipetraka any ivelan’ny fonja izay andoavan’ireo voafonja vola be mihintsy. Eo koa ny fanamparam-pahefana eo amin’ny samy mpiara-miasa. Miantoka ny fahandriamphalemana maharitra ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja, ka rariny raha miantso ireo mpiasa eo aminy manaotaofoana ny ministera mpihay izany. andrasana izay izao ho tohin’izao raharaha fianakara CODIS ny lehiben’ny fonja Fenerivo atsinanana izao…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici