- Publicité -
lundi 26 septembre 2022
DomicileFaits-DiversItaosy : Tokantrano voatafika, naratra mafy ny tompon-trano, voatifitra ny mpiambina

Itaosy : Tokantrano voatafika, naratra mafy ny tompon-trano, voatifitra ny mpiambina

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Itaosy, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Tokantrano iray teny an-toerana no notongavana andian-jiolahy maromaro nirongo basy. Vokany, naratra mafy vokatr’izay ny lehilahy 24 taona, izay nodarohan’ireo olon-dratsy. Naratra voan’ny bala ihany koa ny mpiambina ilay tanana, raha ny loharanom-baovao azo. Nidina an-tsehatra avy hatrany ny zandary.

Nirefotra ny basy tetsy Antsahakely Itaosy, tokony ho tany amin’ny misasakalina tany. Efa-dahy, nirongo basy vita gasy no nanafika tao amin’ny tokatrano iray, teny an-toerana. Araka ny angom-baovao azo dia ankevitry ny diso adiresy ihany ireto olon-dratsy ireto satria hoe terantany vahiny izany no notadiavin’izy ireo tao amin’io tanana io. Ary tao amin’ity trano ity no niantefany sy noteren’izy ireo hamoaka ny vola. Notifirin’izy ireo tsy am-pihambahambana ny lehilahy 26 taona, mpiambina ilay trano, rehefa niezaka nanakana ny fidiran’ireto farany. Nony tonga tao amin’ilay trano izy ireo dia ny tompon-trano, ilay lehilahy 24 taona no nataon’izy ireo maty daroka, tamin’ny vy. Noteren’izy ireo hamoaka ny vola sy ireo entana tao. Naratra mafy tokoa vokatr’izay.

Ny basy nipoaka no nanaitra ireo manodidina ka niantsoan’ireto farany zandary haingana. Vetivety dia tonga ireto farany saingy, efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy tsy nahazo n’inona n’inona. Ireo olona no nezahina novonjena haingana ary nentina tamin’ny fiaran’ny zandary namonjy toeram-pitsaboana, raha ny vaovao azo. Tetsy andanin’izay, tamin’io fotoana io ihany koa dia efa nandeha ny savahao sy hazalambo hikarohana ireto olon-dratsy ireto ary nitohy hatramin’ny omaly izany. Efa mandeha ny fanadihadiana, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra teny an-toerana.

Tsy mitsahatra ny manentana moa ireo tompon’andraikitry ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena fa tsy misy afa-tsy ny fiaraha-mientan’ny rehetra ihany no ahafahana misoroka sy miady amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Ny tokony ataon’ny rehetra dia ny ahazoana sy hametrahana ireo laharan’ny zandary akaiky azy ireo any anaty finday tsirairay avy. Ny laharana maitso 119 ihany koa dia azo antsoina foana, raha vao misy tranga mampiahiahy.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici